FANAMBARANA

NOMEN’NY MPITONDRA FANJAKANA "FANAVAOZANA"
ALALANA HITRANDRAKA (permis d’exploita on)
NY « TERRES RARES » AO AMPASINDAVA
NY ORINASA HARENA RARE EARTHS

Maneho fanahiana lalina, izay fantatra fa iraisany amin’ny olompirenena malagasy maro, ny Collec f TANY,
manoloana ny vaovao miparitaka tato ato mahakasika ny nanomezan’ny tompon’andraikitra mahefa ao amin’ny
fitondram-panjakàna Fanavaozana alàlana hitrandraka ny « terres rares » ao Ampasindava (permis
d’exploita on) taminy 8 oktobra 2026.

« Tanimanga ionique » na « ionic clay mine » no fomba hilazàn’ny mpizara vaovao azy sasany teto Madagasikara,
fa rehefa ny solontenan’ny orinasa Harena Rare Earths sy ny tetikasa ao Ampasindava no voalaza fa nahavita
dingana lehibe ka noraisin’ny Mpiandraiki-draharaha amerikana Tom Bevan niaraka tamin’Andriamatoa Carl
Andriamparany, Minisitry ny Harena ankibon’ny tany, hanao fankalazàna, dia ilay « terres rares » ao
Ampasindava io fa tsy misy antony hisalasalàna.


Milaza ny orinasa fa tsy maintsy mbola hiroso amin’ny famolavolana sy fampisehoana ny drafi-pitantanana,
fandalinana ny fiantraikan’ny fitrandrahana amin’ny tontolo iainana (Etude d’Impact Environnemental) ary
fakàna hevitry ny mponina (consulta on publique) mba ahazoana ny alàlana ara-tontolo iainana (permis
environnemental) fa tsy mbola hanomboka hitrandraka.

 
Tsy ny hatsaram-panahiny na ny fitiavany lehibe manokana ny mponina malagasy ao amin’ny faritra
Ampasindava akory no anton’izany asa handany vola sy fotoana ny orinasa mpitrandraka izany fa voatery manaja
ny lalàna malagasy ao amin’ny Didim-panjakàna MECIE izay mitaky ny ankamaroan’ireo izy. (décret MECIE :
Mise en Compatibilitédes Investissements avec l’Environnement)


Tsy hitsahatra ny Collectif TANY hanindry sy hanasongadina fa ny lesoka makadiry sy mahatsiravina tavela ao
anatin’io Décret MECIE nohavaozina tamin’ny taona 2025 io dia ny mbola nametrahana indray ireo asa ireo
ho AO AORIAN’NY NANOMEZANA NY ALALANA HITRANDRAKA vao tsy maintsy hatao. Mampalahelo sy
nidiran-doza isika Malagasy noho ny nafitsoky ny mpandray fanapaha-kevitra momba io didim-panjakàna
décret MECIE nohavaozina – io, ary indrindra ireo nanome toromarika azy nanohy namatotra antsika Malagasy
toy izao, fa any amin’ny firenena maro, tsy mahazo ny alàlana hitrandraka (permis d’exploita on) ny orinasa raha
tsy efa nahazo permis environnemental, izany hoe vita tany amin’ny dingana mialoha ny fanombanana
mahakasika ny fiantraika ara-tontolo iainana sy fakàna ny hevitry ny mponina, ka nampiseho ny vokany fa tsy be
olana ary nanaiky ny mponina, vao azo omena ny alàlana hitrandraka.

Nandefa filazan-kevitra tany amin’ny mpiandraikitra momba izany ny Collectif TANY tamin’ny fotoana
nandraisan’ny ekipa namolavola ny fanavaozana ny didim-panjakàna MECIE ny hevitry ny firaisamonim-pirenena
saingy ny hevitra hafa izay hita izao fa mamotika no voatazona.
Milaza koa ny orinasa fa mbola hanatanteraka dingana andrana (phase pilote) hanamarinana ireo masotsivana
isa-karazany eo amin’ny lafiny teknika, ekonomika, ara-tontolo iainana ary ara-sosialy.


Fitsimbinana indrindra indrindra ny tombotsoan’ny orinasa sy ny mpampiasa vola miara-miombon’antoka aminy
no lohaharana amin’ny antony hanaovana izany sy hiankinan’ny fanapaha-kevitra avy eo.
Mandritra io dingana andrana io, raha toa ka mandoto ny rano ary mamotika ny tontolo iainana sy ny zava
boary sy zavamananaina ary mitera-doza ho an’ny tanimboly sy ny fiainan’ny olombelona aman’arivony
amin’ny faritra Ampasindava sy ny manodidina, araky ny zava-nisy tamin’ny fitrandrahana terres rares tany
amin’ny firenena samihafa hatramin’izao, nefa te-hiroso ihany ny orinasa mpitrandraka, dia tsy ho afaka
hanakana ny fitrandrahana intsony ve ny mpitondra fanjakàna malagasy satria efa nanome alàlana
hitrandraka ?


Milaza ny orinasa fa nahita fomba vaovao hitrandrahana ny terres rares tsy mampiasa singa simika manimba.
Raha marina izany, mbola vao ho andramany ilay izy fa tsy mbola azo antoka, ka na inona na inona voka-dratsy
nefa te-hiroso ihany izy, dia ahiana tsy ho afaka hanakana ny fitrandrahana intsony ny mpitondra fanjakàna
malagasy satria efa nanome alàlana hitrandraka.


Nilaza Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Fanavaozana vao aingana fa hisy fanovàna hatao amin’ny fehezan
dalàna mahakasika ny Fitrandrahana Harena ankibon’ny Tany (Code Minier) mba hahatonga ny fisian’ny
fanodinana ireo ankora eto an-toerana alohan’ny handefasana azy mivoaka. Asa ahoana no mety
hampiharan’ireo mpanapa-kevitra izany amin’ity fifanarahana vaovao ity, mba hiarovana ny tombotsoan’ny
vondrom-piaraha-monina ao amin’ny faritra Ampasindava ? Sa vao maika hamono tanteraka izay kely sisa mety
ho tavela ao ?


Raha misy ny finiavana ara-politika momba izany, dia mbola azo atao koa ny manao fanavaozana vaovao
hanatsaràna ny décret MECIE satria toa mbola an’arivony ny fangatahana hitrandraka miandry hahazo alàlana
ao amin’ny Minisiteran’ny Fitrandrahana Harena ankibon’ny Tany.

Takian’ny Collectif TANY ny hamoahan’ny orinasa HARENA RARE EARTHS sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy
ary ireo manam-pahefana sy teknisianina malagasy mpiara-miasa akaiky aminy, ampahibemaso,
* ny antsimpirian’ny singa simika ho ampiasaina, ny handrana atao momba ny lixiviation kasaina ho ampiasaina
amin’ilay dingana andrana, ny mety ho vokany amin’ny lafiny rehetra amin’ny tany sy ny rano ary ny rivotra sy
zavaman’aina rehetra mba hanombanana sy hilazan’ny manam-pahaizana sy mpikaroka mahaleo-tena,
malagasy sy avy amin’ny firenena hafa, hevitra ;
* Toy izany koa ny vokatry ny dingana andrana sy ny fanadihadiana momba ny fiantraikan’ny fitrandrahana eo
amin’ny tontolo iainana sy ny lafiny sosialy, satria takian’ny décret MECIE koa ity farany ity ankehitriny ;
* ary ireo fepetra kasaina ho raisina hiarovana ny tontolo manodidina amin’ny lafiny rehetra.
Maro ny Malagasy manam-pahaizana afaka miara-miasa amin’ny manam-pahaizana avy amin’ny firenen-kafa
afaka hanao tombana momba izany. Ny fanaovana izany dia hanome lanja ilay dingana handrana (phase pilote)
izay efa tsy azo ialàna intsony satria efa nomena ny alàlana hitrandraka. Ka aoka isika Malagasy mba haka
fepetra mialoha fa tsy hino hino foana sy hanaiky izay zavatra mety ho lazain’ny orinasa hoe « nety tsara » ao
aoriana, nefa tsy manana porofo, tsy nampanao fanadihadiana.

Ny filazan’ny orinasa fa hanome asa ny mponina ao Ampasindava rehefa manomboka ny fitrandrahana dia sady
mahatezitra no mampiomehy satria ireo mponina ao aza tsy fantatra firy no ho tafajanona ao raha sanatria
miroso ny fitrandrahana.

FEHINY : 
Malaza eran-tany fa ny firenena mahantra toa antsika dia hiatrika voka-dratsy maro noho ny fiovan’ny toetoetry
ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany sy angovo (transi on énergé que) ary ny fifaninanana hisy ao amin’ny
firenena matanjaka mandritry ny taona maro ho avy. Notsindrian’ny mpanoratra maro fa manome anjara
toerana lehibe an’i Madagasikara ao amin’ny fifaninanana eo amin’ny Amerikana sy ny Sinoa ity firosoan’ny
fitrandrahana « terres rares » ity.


Vao maika ho raisintsika firaisamonim-pirenena ho antony vaovao hampitomboana sy hampivoarana ny
fiarovana ny Zon’ny vondrom-piaraha-monina malagasy any ifotony izay iharan’izany fiovàna izany izao vanim
potoana vaovao izao, ka ho soratana eo amin’ny tantaram-pirenena ny tompon’andraikitra tsy nanao na inona
na inona hanakanana ny loza sy hiarovana ny mponina manoloana ny ambana lehibe mifandraika amin’izany.

19 oktobra 2026


Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy – Collectiff pour la défense des terres malgaches – TANY patrimoine.malagasy@gmail.com
, https://terresmalgaches
, Facebook : TANYterresmalgaches, X : @Collec fTany