Ny 17 Aogositra 2026, taorian’ny fisintonana lakolosy nataon’ny solombavambahoaka MAMIHAJA Charlot[1] tao amin’ny tambajotra sosialy, mikasika ny tetikasa fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna ataon’ny orinasa M.L.S.G. ao amin’ny fokontany Ambalamanasa, Kaominina Vohilava, distrikan’ny Mananjary, dia nanatontosa firotsahana ifotony ny minisiteran’ny fitsarana nijery ny zava-misy. Hita tao an-toerana tamin’izany ireo mpitrandraka tsy ara-dalàna sy ireo fitaovam-pitrandrahana maro avy ao amin’ny orinasa M.L.S.G. teo am-perin’asa.
Noho izany, dia nanao fanambarana ampahibemaso ho fampitsaharana io fitrandrahana volamena io ny Minisitra Fanirisoa HERINAIVO tamin’ny 21 Aogositra 2026 lasa teo. Teo ihany koa ny fisamborana ireo teratany sinoa tompon’antoka tamin’izany, ary nogiazana avokoa ireo milina fitrandrahana.[2].
Raha ny voalazan’ireo mponina anefa, dia mbola mitohy mandraka ankehitriny ny fitrandrahana volamena, ary miasa andro aman’alina mihitsy ireo mpitrandraka. Amin’izao fotoana anaovana ity fanambarana ity izao, dia mbola miasa avokoa ireo milina izay voalaza fa nogiazan’ny fanjakana tao aorian’ny fampitsaharana voalaza etsy ambony.
Tsiahivina hatrany ny tsy faneken’ny vahoaka voakasika ity tetikasa fitrandrahana ity, izay mbola tsy nahazo taratasy fahazon-dalana hitrandraka, sady mbola tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny kaomina sy ny fokontany ihany koa. Mbola tsy nisy ihany koa ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana, izay anisan’ny fepetra tsy maintsy arahina ary takiana amin’ny asa fitrandrahana tahaka izao.
Etsy an-daniny izay anefa, rehefa nanontaniana ny Minisitra tompon’andraikitra amin’ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany dia nilaza fa tsy miasa ny orinasa fa manao « entretien » ny milina fiasany fotsiny. Etsy an-kilany kosa, ny orinasa Mac Lai Sime Gianna (M.L.S.G) dia nanambara fa efa miara-miasa amin’ny Fiadidian’ny Fanavaozana ny Repoblikan’ny Madagasikara (PRRM) izy ireo[3].
Nandritra ny fidinana ifotony dia nanamafy ny Minisiteran’ny fitsarana fa miaro ny tany tàn-dalàna, ary mijery akaiky ireo izay minia mandika lalàna. Mifanohitra amin’izany anefa ny zava-misy ankehitriny izay miteraka ahiahy eo amin’ireo vahoaka voakasika ny amin’ny mety ho fitongilanana amin’ny mpanambola, ary mahatonga ny tsy maty manota amin’ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna ataon’ny orinasa M.S.L.G., na dia manohintohina sy manosihosy ny zon’ny vahoaka sy ny tontolo iainana aza izany.
Mampametram-panontaniana ihany koa ny tsy fijerena akaiky sy ny tsy fisian’ny ny fepetra avy amin’ireo tompon’andraikitra mahefa manoloana ny fahoriana mahazo ny vahoaka any ifotony, izay efa imbetsaka no nitaraina ny amin’ny fahaverezan’asa ho an’ireo mpitrandraka madinika maro an’isa. Efa an-taona maro ihany koa ireo vahoaka ireo no nanao fitarainana momba ny fampiasan’ny mpitrandraka mercure sy akora simika misy asidra izay miparitaka amin’ny rano fampiasan’ny mponina.
Araka ny fijorona vavolombelona nataon’ireo mponina[4], tamin’ny taona 2025 dia niakatra ny taham-pahafatesan’ny zaza vao teraka tao amin’ny kaominina Vohilava vokatrin’ny fahalotoana’ny rano sy ny rivotra. Eo ihany koa ny fahapotehan’ ny tontolo iainana vokatry ny fanotorana ny renirano sy ny tany fambolena avy amin’ny tetikasa fitrandrahana, miampy ny fanelingelenana aterakin’ny feon’ireo milina izay miasa andro aman’ alina.
Noho izany, dia manao antso avo ho an’ny manam-pahefana sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny vahoaka voakasiky ny tetikasa mba hampitsaharana tsy misy hatak’andro, sy handraisana fepetra hentitra amin’io orinasa mpitrandraka volamena tsy ara-dalàna sy mampididoza io .
Izahay fikambanana manao sonia ity fanambarana ity, dia manamafy izany fangatahana izany, ary mampahatsiahy hatrany fa zon’ny vahoaka ny mandà sy manohitra io tetikasa fitrandrahana io, ka ny fahendrena lehibe indrindra ho an’ny manam-pahefana nomen’ny vahoaka fitokisana dia ny fihainona sy famaliana izany fangatahana izany.
Antananarivo, faha – 12 Oktobra 2026
– Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives de Développement – CRAAD-OI
– FARM – Femmes en Action Rurale de Madagascar
_ Observatoire Indépendant des Droits Economiques, Sociaux et Culturels de Madagascar – Antenne de Mananjary (OIDESCM – Mananjary)