Vao tonga tao amin’ny tanàna Marovaza Be, fokontany Anjajavy, kaomina Antonibe ao amin’ny faritra Sofia ny orinasa TSINGY BAY tamin’ny taona ny 2022 dia nanomboka nanao didiko fe lehibe sahady,satria tsy nisy fifampiresahana tamin’ny mponina, fa avy dia namefy ny ranomasina sy ny tanàna, ka hatreny amin’ny arabe ny fototry ny tamboho naorin’izy ireo. Novoleny fefy misy tsilo ihany koamanodidina ny tanàna.
Rehefa nanatona nifampiresaka ny mponina nitaky ny hanajanonana ny famefena ny tanàna sy hanajanonana ny asa fanorenana, dia avonavona sy fanohizana ny fanamparam-pahefanano namalian’ny tompon’ny orinasa TSINGY BAY azy ireo.
Misy amin’ireo mpiasa tao amin’io orinasa io koa no noterena hivarotra ny taniny amin’ny tompon’ny orinasa, ary norahonana ny ho esorina amin’ny asa, ka na mivarotra dia mijanona miasa, na lasan’ny orinasa maimaipoana ny tany sady ho voaroaka amin’ny asa. Fanampin’izany, dia misy fampisaraham_bazana sy fampiadiana ireo fokonolona izay voatery nivarotra ny tanindrazany sy ireo mbola tsy manaiky hivarotra ny tanindrazany ataon’io orinasa io.
Nanapa-kevitra hivondrona ao anatin’ny « Fikambanana Tsinjo Lavitra Marovaza Be » ireo fianakaviana 100 mahery ao amin’ny fokonolona voakasika tamin’ny volana desambra 2024 mba hiarovany ny tanindrazany sy ny zony. Noho izany dia nihamafy ny ramatahora sy ny tsindry hazo lena avy amin’nyorinasa TSINGY BAY. Namoronana « dossiers » sy noendrikendrehina izay sahy manohitra ny fanaovana ampihimamba ny tany tao Marovaza Be, ary notsindriana sy norahonana ho gadraina sy ho enjehina eny amin’ny fitsarana izay tsy mivarotra ny taniny amin’io orinasa io. Natahotra tokoa ny mponina ka maro ireo voatery nivarotra ny tanindrazany.
Tamin’ny volana oktobra 2025 dia nisy ny fihaonan’ny tompon’ny orinasa TSINGY BAY tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny Novotel Alarobia, ho fampahafantarana ireto farany mahakasika ny tetikasa goavana kasainy hatao ao Marovaza Be amin’ny sehatry ny fizahan-tany. Ankoatra ny fangoronan-tany sy ranomasina izay efa misy, dia hita mazava tamin’izany fa hisy fiantraikany mivantana amin’ny harena voajanahary izay tsy hita afatsy ao Marovaza Be sy ny manodidina, ary koa amin’ny toerana masina sy faritra arovana maro ilay tetikasa goavana kasainy hatao ao anatin’ny ranomasina manoloana ny hotely
TSINGY BAY.
Tamin’ny taona 2025, dia nalain’ny orinasa TSINGY BAY ihany koa ny sekoly EPP Marovaza Be satria tsiriritin’izy ireo ihany koa ny tany misy ny sekoly. Nosoloan’izy ireo olony ny talen-tsekoly, ary nohenjehina ny tale taloha sy ny mpampianatra sasany. Manoloan’izany dia maro ireo ray aman-drenin’ny mpianatra no nitsipika io toe-javatra io ary nandà tanteraka io fikasan’ny orinasa io, kanefa nandefasan’i TSINGY BAY zandary nanao hery famoretana andro aman’alina ireo mponina, ary mbola mitohy izany asa famoretana izany hatramin’izao.
Mpikambana 11 ao amin’ny fikambanana Tsinjo Lavitra no efa voasambotra ary nogadraina hatramin’izao. Tsy vitan’ireo mponina ao Marovaza Be ihany, fa ny mpanao gazety izay sahy manome sehetra azy ireo hiteny mikasika ny zava-manjo azy sy ny fitakiany1 dia iharan’ny tsindry sy ny fandrahonana avy amin’ny orinasa TSINGY BAY ihany koa.
Mandrak’ankehitriny dia mbola mitohy ny famefena ny tanàna sy ny ranomasina izay misy ny foto-piveloman’ny mponina ataon’io orinasa TSINGY BAY io eto Marovaza Be, ary mitohy manaraka izany ihany koa ny tsindry hazo lena sy ny ramatahora isan-karazany mianjady amin’ny mponina. Misy amin’ireo mponina tsy nanaiky hivarotra ny tanindrazany no voatery mifindra monina sy mitady vola any lavitra noho ireo fanenjehana samihafa mahazo azy ireo
Noho izany fanitsakitsahana amin’ny endrika samihafa ny zon’ireo mpiray tanindrazana ao Marovaza Be izany, ny fikambanana manao sonia ity fanambarana ity dia manainga anareo fitondram-panjakana sy tompon’andraikitra isan-tsokajiny hanatanteraka ny adidinareo ka hanafaka azy ireo amin’ny tsindry hazo lena mahazo anay, ary hamerina ny tanindrazany amin’izy ireo tompon-tany ireo.
Farany, izahay fokonolona eto Anjajavy, Marovaza Be dia mitaky ny handraisanareo fepetra tsy misy hatakandro amin’ireo mpangalatra tany sy mpanao ramatahora izay manao didiko fehy lehibe teto aminay hatramin’ny taona 2022 mandraka ankehitriny.
Marovaza Be, faha 24 Aogositra 2026.