Prendre contact
Lot VF 60 Mahamasina Nord – Antananarivo 101, Madagascar
craad.madagascar@gmail.com
Ph: +261 32 60 343 61

Basée à Madagascar, sa mission est de promouvoir des alternatives de développement durable centrées sur la réalisation des droits humains et basées sur les principes d’égalité de genre et de justice sociale, économique et écologique

Les terres nourrissent les peuples, défendons la souveraineté alimentaire

Fest'Iray et Festival de l'écologie 2026

FANAMBARAN’NY FOKONOLONA VOAKASIKA TSY MANAIKY  NY TETIKASAN’NY ORINASA HARENA RARE EARTHS PLC. IZAY MIKASA HITRANDRAKA « TERRES RARES » ETO AMPASINDAVA.

 

Ny solotena avy amin’ireto fokontany manaraka ireto dia manambara etoana fa tsy manaiky ny tetikasa fitrandrahana « terres rares » ao amin’ny faritra iainan’izy ireo, ary vonona hitaky hatrany ny zony handà ny fanaovana an’io tetikasa io izay handrava ny fivelomany sy ny tontolo iainany.

 

1. Fokontany Antsirabe

2. Fokontany Befitina

3. Fokontany Ambodimadiro

4. Fokontany Anjiabory

5. Fokontany Betaimboay

6. Fokontany Ankotsopo,

7. Fokontany Bemaneviky

8. Fokontany Ankaramibe

9. Fokontany Tsarabanja

10. Fokontany Ambodimangatelo

11. Fokontany Ambalabao

12. Fokontany Jojan’ny gora

13. Fokontany Ankobabe

14. Fokontany Ambodifinesy

15. Fokontany Tanambao Nafindra

16. Fokontany Berahodaka

17. Fokontany Ambaliha

18. Fokontany Ambatobe.

Ireto manaraka ireto ny anton’izany tsy fanekena izany :

 

Amin’ny ankapobeny, dia tsy misy ny mangarahara eo amin’ny seraseran’ny mponina, ny tompon’ny tetikasa ary ny ambaratongam-pahefana mahefa. Tsy nisy fanazavana na adi-hevitra natao mialoha tamin’ireo fokonolona voakasiky ny tetikasa ho fakàna ny heviny, araka ny voalazan’ny lalàna manan-kery eto Madagasikara, fa teniko fe lehibe no natao.

 

Noho izany toe-javatra izany dia mahatsapa ireo fokonolona voalaza etsy ambony fa voahitsakitsaka tanteraka ny zon’izy ireo hahafantatra sy hanapa-kevitra mikasika ity tetikasa ity, ka hisafidy ankalalahana tanteraka izay tetikasa fampandrosoana sahaza azy ; ary indrindra indrindra ny zony tsy hanaiky ny fangoronan’ny orinasa vahiny ny tanindrazany sy ny fandravana ny foto-pivelomany.

 

Mahakasika lafiny maro amin’ny fiainan’ny mponina sy ny ho avy ary ny lovan’ny taranaka fara-mandimby eo amin’ny toeram-pitrandrahana ny anton’ny tsy fanekena ny tetikasa fitrandrahana « terres rares » ao Ampasindava.

 

Mahakasika ny ara-tontolo iainana :

       Hisy fiantraikany ratsy izay tsy azo ialana amin’ny ala sy ny zava-manan’aina rehetra ao anatin’ny toerana hanaovana ny fitrandrahana sy manerana ny faritra ny tetikasa.

       Ho voafafa eo amin’ny tantaram-pirenena ireo zavaboahary tsy misy afa-tsy eto Ampasindava.

       Hanakorontana ny firindran’ny tontolo manodidina ny tetikasa, ary tsy azo antoka ny fitantanana ireo faika vokatry ny asa fitrandrahana, izay mety hanimba ny loharano izay ampiasain’ny mponina amin’ny fambolena ary sotroin’ny mponina sy ireo biby fiompy.

       Mety hanapoizina koa ny ranomasina sy ny hazandranomasina ireo faika ireo.

       Handoto ny rivotra iainana ny fielezan’ny vovoka, ny entona ary ireo poti-javamadinika  avy amin’ny tetikasa.

       Hiteraka fahalotoana henon’ny sofina (pollution sonore) ny tabataba vokatry ny asa fitrandrahana isan-karazany sy ny fitaomana ireo vokatra.

Actualités

Craad_OI
Posted by Craad_OI
août 13, 2026

LE PERMIS MINIER ACCORDE A LA SOCIETE HARENA RARE EARTHS PLC. SANS CONSULTATION PREALABLE AVEC LES COMMUNAUTES AFFECTEES PAR SON PROJET D’EXPLOITATION DE TERRES RARES A AMPASINDAVA DOIT ETRE ANNULE.

    COMMUNIQUE  L’octroi d’un permis d’exploitation à la société HARENA RARE EARTHS PLC. Suite à la signature du cahier de charges minières relatif...

Read More
Craad_OI
Posted by Craad_OI
août 3, 2026

En images. Retour sur le festival Fest'Iray 2026

En images. Retour sur le festival Fest’Iray La 4ème édition du Fest’Iray s’est tenue à Analavory, dans la région d’Itasy, ce dimanche 2 août...

Read More

RJDD (Réseau des Jeunes pour le Développement Durable) est un réseau de jeunes au sein du CRAAD-OI. Sa mission est de promouvoir des alternatives de développement durable centrées sur la préservation de l’environnement et sur les principes de la justice climatique et écologique ;

Communiqués de presse

Nos partenaires