TARATASY MISOKATRA HO AN’NY SOLOMBAVAMBAHOAKAN’I MADAGASIKARA

TSY AZO EKENA NY FANAOVANA SORONA NY ZON’IREO VAHOAKA MANOHITRA NY TETIKASA MAMPIDIDOZA VARA MADA SY NY FIANDRIANAM-PIRENENA MBA HAMALIANA NY FILAN’NY MPITONDRA AMERIKANA

Hatramin’ny nandraisan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’ny Madagasikara (PRRM) ny fitondrana dia tsy mitsahatra maneho ny fandavany marin-drano ny fitrandrahana ilmenite, rutile, zircon ary monazite izay kasain’ny ny orinasa amerikana Energy Fuels Inc. hatao ao amin’ny tetikasa Vara Mada ireo vahoaka voakasika, izay tonga nihaona tamin’ny PRRM teny an-dapan’Iavoloha mihitsy tamin’ny 15 Desambra 2025 namerina ny fitakiany ny fanajanonana io tetikasa io.  Vao hita koa ireo vahoaka nilanja sora-baventy maro mitaky an’izany tamin’ny dian’ny PRRM tany Toliara tamin’ny 17 aprily 2026 teo. Ary tsy vitan’izany ihany, fa tamin’ny 18 aprily 2026 ny PRRM dia namangy fahoriana ny fianakavian’Itompokolahy Benefice izay maty voatifitry ny zandary teo am-panoherana ny tetikasa Vara Mada tamin’ny 13 septambra 2025.

Manoloana izany zava-misy sy fanehoan-kevi-bahoaka izany anefa, araky ny vaovao nivoaka tamin’ny 21 aprily 2026[1] dia nifanaraka mikasika ny tetikasa Vara Mada ny Praiminisitra Malagasy sy ny Sekreteram-panjakana lefitra Amerikana nandritry ny fihaonany tany Washington. Niresaka ihany koa izy ireo momba ny fiaraha-miasa mivelatra kokoa amin’ny ho avy mba hiarovana ny tarajam-pamatsiana mineraly stratejika toy ny terres rares ho an’ny firenena Amerikana, sady hampidirana an’i Madagasikara ao anatin’ny rojom-pihariana (chaînes de valeur) eran-tany momba ny fiarovana sy ny teknolojia[2].

Izany vaovao izany dia manamarina ny siosion-dresaka milaza fa efa manaiky ny fanatanterahana ny tetikasa Vara Mada ny PRRM, satria tsy sahy manohitra ny ezaky ny fitondrana Amerikana hampihatra fanjanahana ara-ekonomika na eto Madagasikara na any amin’ny firenena hafa izay manana ireo mineraly stratejika izay ilainy toy ny Ukraine sy ny Repoblika Demokratikan’ny Congo.

Na dia nilaza aza ny Praiminisitra tamin’ny fihaonany tamin’ireo tanora ao amin’ny GEN Z sy ny mpanao gazety fa tsy nanao izany fifanarahana izany velively, dia tsy nisalasala nanamafy io fifanarahana tamin’ny mpitondra Malagasy io indray ny Talen’ny Vara Mada tamin’ny 26 Aprily 2026, ary nilaza fa ny fankatoavana ny fifanaraham-piaraha-miasa avy amin’ny Antenimieram-pirenena sy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana (HCC) sisa no andrasana[3]. Tsy nanohitra izany filazana avy amin’ny Vara Mada izany ny mpitondra Malagasy, izay midika fa nisafidy tsy misy fihambahambana izy hanao sorona ny tombotsoa sy ny fiandrianan’ny vahoaka Malagasy amin’ny harem-pirenena voajanahary ao amin’ireo toerana fitrandrahana, sady mampiseho ihany koa ny finiavany hanitsakitsaka ny fitakian’ireo vahoaka voakasika ny fanajana ireo zo fototra izay ananany amin’ny tanin-drazany, ny foto-pivelomany, ny fahasalamany, ary ny tontolo sy ny rohivoahary iainany.

Ataon’ny mpitondra Malagasy toy ny tsy misy ihany koa ireo ireo fampitandremana natao taminy efa nanomboka tamin’ny volana oktobra 2025 mikasika ny radioactivité sy ny voka-dratsy amin’ny tontolo iainana izay hateraky ny tetikasa fitrandrahana fasimainty sy monazite. Izany dia efa voaporofon’ny loza nihatra tamin’ireo vahoaka ao Taolagnaro voakasiky ny tetikasa Rio Tinto-QMM, izay mitrandraka fasimainty sy monazite koa. Tsara ny mampahatsiahy azy fa i Rio Tinto dia miatrika fitoriana manoloana ny Tribonaly any Londres (Angletera) nohon’ny fandotoany ny rano fampiasa sy fisotron’ireo fokonolona manodidina ny fitrandrahan’i RioTinto-QMM amin’ny firaka (plomb) sy Uranium[4], izay namono ny trondro sady mitera-doza mahafaty ho an’ny fahasalamam-bahoaka.

Izany fahasarotan’ny ambana avy amin’ny radioactivité izany mihitsy anefa no antony lehibe amin’ny fanoheran’ireo fokonolona voakasiky ny tetikasa Vara Mada hatramin’ny voalohany. Efa hatramin’ny taona 2014 no efa nisy fikarohana siantifika maromaro[5] nanamarina fa rehefa avoaka avy any ambanin’ny tany ny fasimainty ao Ranobe dia miteraka radioactivité avy amin’ny Uranium sy Thorium 232 mahatratra 10600-10700 Bequerel/kg, izay mihoatra lavitra ny fenitra 10000 Bequerel/kg izay zakan’ny vatan’olombelona napetraky ny Agence Internationale de l’Energie

Ambonin’izany, dia manahiran-tsaina tokoa ny fahitana ny firaisana tsikombakomban’ny mpitondra politika Malagasy amin’ireo orinasa mpitrandraka avy amin’ny firenena samihafa toy ny Vara Mada sy Rio Tinto, izay tetikasa miteraka voka-dratsy maro izay efa fantatra tsara eo amin’ny ireo fokonolona voakasika[6]. Ity firaisana tsikombakomba ity dia tena manafintohina tokoa satria manitsakitsaka ny zon’ny mponina amin’ny fandavana na fanekena malalaka ny tetikasa toy itony, ary indrindra loza manambana ny antom-pivelomany sy ny zony amin’ny tany, ny rano ary ny tontolo iainana madio, mahasalama sady maharitra.

Araka izany, dia tsy nambaran’ny Masoivoho Amerikana izay miezaka hampandeha ny tetikasa fitrandrahana Vara Mada tamin’ny mpitondra Malagasy fa na dia any Etazonia aza i Energy Fuels Inc. dia miatrika fanoherana mafy avy amin’ny foko Ute Mountain Ute, izay mipetraka eo akaikin’ny orinasa famokarany Uranium ao White Mesa (Utah), nohon’ny vokadratsy ateraky ny orinasa amin’ny tontolo iainana sy ny fahasalaman’izy ireo. Manohitra mafy toy izany koa ny foko Havasupai sy Navajo voakasiky ny fitrandrahan’ny Energy Fuel Inc. ao akaiky ny Grand Canyon sy La Sal ao Utah[7]. Na izany aza no zava-misy any Utah, dia tsy mihambahamba ary vonona tanteraka ny orinasa Energy Fuels Inc. handrava ny antom-pivelomana sy ny tontolo iainan’ireo fokonolona voakasiky ny tetikasa fitrandrahany ao amin’ny distrikan’i Toliara I sy II.

Manoloana ny fananganana Vaomiera hanao fanadihadiana ny tetikasa Vara Mada eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, sy ny fikasana hanolotra ny fifanarahana (protocole d’accord) mikasika ny fanatanterahana io tetikasa io mba ho ankatoavin’ny Solombavambahoaka, ny fokonolona voakasika sy ireo fikambanana manao sonia ity taratasy misokatra ity dia manamarika fa ny fankatoavana ny fifanarahana amin’ny tetikasan’i Energy Fuels Inc hitrandraka fasimainty sy monazite eto Madagasikara hamokarany terres rares, dia fankatoavana tsy misy fihambahambana ny fanaovana ho sorona ireo toerana fitrandrahana sy ireo mponina voakasika.

Izany no atao dia mba hanamafisana ny famatsiana angovo sy mineraly critiques an’ny fanjakana amerikana, izay nanapa-kevitra fa hiaro ny mponina sy ny tontolo iainana ao aminy mba tsy ho tratry ny vokadratsin’ny famokarana terres rares, ka hanondrana izany loza manambana rehetra izany any amin’ny fokonolona sy ny rohivoahary ao amin’ny distrikan’i Toliara I sy II.

Noho izany dia manao antso avo aminareo Solombavambahoaka izahay etoana, mba hihaino ny feon’ny fokonolona izay tsy nitsahatra nitaky an-taona maro izay ny fanajanonana tsy misy hatak’andro ity tetikasa Vara Mada ity, ary handinika ny fanampiana azy amin’ny fomba sahaza ho fampandrosoana ny seha-pihariana ivelomany amin’ny fambolena sy fiompiana ary jono nentim-paharazana.

Tianay koa ny mampahatsiahy ny PRRM sy ireo manam-pahefana mahefa rehetra, fa amin’ny olom-pirenena izay nifidy sy nametraka azy eo amin’ny fitondrana no ananany tamberin’andraikitra voalohany indrindra, sady izy ireo ihany koa no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanajana sy fiarovana ary fanatanterahana ny zon’ireo olom-pirenena ireo hisafidy ankalalahana tanteraka izay tetikasa fampandrosoana sahaza azy.

Farany izahay izay manao sonia ity Taratasy misokatra ity dia manamafy ny firaisanay hina tanteraka amin’ny Fokonolona voakasiky ny tetikasa Vara Mada, izay tsy hanaiky hatramin’ny farany ny fitrandrahana fasimainty sy monazite ao amin’ny fokontany misy azy, ary vonona hitaky hatrany ny zony handà ny fanaovana an’io tetikasa io izay handrava ny fivelomany sy ny tontolo iainan’ireo taranaka any aoriana .

Natao androany faha-07 Mey 2026

———————————————————————

[1] https://2424.mg/mines-engagement-commun-de-madagascar-et-des-etats-unis-a-promouvoir-les-opportunites-autour-du-projet-vara-mada-dapres-le-departement-detat-americain/.

[2] Ibid.

[3] Vaovaon’ny RFI tamin’ny 26 aprily 2026.

[4] https://theintercept.com/2024/04/03/madagascar rio tinto mine water contamination/

[5] Par des chercheurs de l’Universit é de Toliara et d’ Antananarivo en 2014, et par une équipe de l’Institut National des Sciences et Techniques Nucléaires (INSTN) de Madagascar.

[6] Voir le rapport « Titanium Benefit sharing in Kwale County », sur le partage inéquitable des bénéfices miniers entre Base Resources et les communautés impactées par son projet minier au Kenya: https://www.hakijamii.com/?p=1889

Sur Rio Tinto, voir notamment:https://www.theguardian.com/australia-news/2020/may/26/rio-tinto-blasts-46000-year-old-aboriginal-site-to-expand-iron-ore-mine

[7] The Times-Independent, “Ute Mountain Utes march agTaratasy misokatraainst White Mesa as energy Fuels prepares to reopen mines,”October 10, 2023. https://www.moabtimes.com/articles/ute-mountain-utes-march-against-white-mesa-as-energy-fuels-prepares-to-reopen-mines/