TARATASY MISOKATRA HO AN’NY FILOHAN’NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKAN’NY MADAGASIKARA (PRRM)

MILA FANGARAHARANA SY FANDRAISANA ANDRAIKITRA AVY AMIN’NY FILOHAM-PIRENENA

NY FIAROVANA MARINA NY ZO SY NY FIANDRIANAN’NY FOKONOLONA VOAKASIKY NY

TETIKASA VARA MADA AMIN’NY HARENA VOAJANAHARY MISY EO AMIN’NY TANINDRAZANY

Andriamatoa Filoha,

Taorian’ny fandaharana manokana niresahanao tamin’ny mpanao Gazety tamin’ny 31 Mey 2026, dia maro ireo hevitra nolazainao momba ireo tetikasa lehibe. Tianay singanina manokana ny tetikasa VARA MADA izay efa niandrandran’ireo fokonolona voakasika fanapahan-kevitra hentitra avy amin’ny fitondrana fanavaozana mirona amin’ny fiarovana maharitra ny zon’izy ireo taorian’ny fihaonan’ny solontenany taminao tamin’ny 15 Desambra 2025.

Andriamatoa Filoha,

Mampalahelo ihany raha toa ka izao ireo fokonolona voakasiky ny tetikasa VARA MADA vao mahafantatra izany hevitrao izany. Tianay ny mampahatsiahy anao hatrany fa amin’ireo fokonolona voakasika ireo, izay nametraka ny fitokisany taminao, no anananao tamberin’andraikitra voalohany indrindra. Izany dia tokony manomboka amin’ny fangaraharana manodidina ny fifampiraharahana rehetra izay ataonao mikasika io tetikasa efa nolaviny hatramin’ny ela io. Mazava koa amin’izao fa efa nisy ny fifanarahana taminao sy ny orinasa tompon’ny VARA MADA, saingy tsy nampahafantarana ny vakoaka voakasika hatramin’izay.

Voalohany, izay fifanarahana mety kasainao hatao dia hamatotra ny Vahoaka Malagasy sy ireo fara mandimby mandritra ny 30 taona mahery : azon’ny Mpitondra tsy voafidim-bahoaka ve ny maka andraikitra hirosoana amin’io tetikasa io ?

Vao tonga teo amin’ny Fitondrana ianao, dia naha velom-panantenana fa nampanao avy hatrany audit ny Cour des comptes. Tianay ampahatsiahivina fa efa nisy audit nataon’ny Cour des comptes momba an’i Toliara Sands, nivadika ho Base Toliara ary  lasa Vara Mada. Ny Rapport public 2020[1] dia milaza mazava fa tsy nanara- dalàna, ary ahiana ho nisy kolikoly aza, ny fanomezana-dalana an’io tetikasa io ary efa fantatrao tsara rahateo ny vokadratsy haterany amin’ny fokonolona sy ny rohivoahary ao amin’ny distrikan’i Toliara I sy II. Noho izany, dia tokony ho foanana tsotra izao aloha ireo fanomezan-dalana rehetra efa nomena tany aloha.

Amin’izao fotoana izao, heno fa misy volavolana fifanarahana manokana omanin’ny rafitra ao anatin’ny fitondràna momba ny VARA MADA fa tsy ny Loi sur les Grands Investissements Miniers indray no hovaina, araka ny fikasàna teo aloha. Tsy vao mainka ve izany manamafy fa efa miroso amin’ny fanekena sy fifanarahana amin’ny orinasa VARA MADA ny fitondram-panjakàna, ankoatry ny vaovao naelin’ny fitondràna amerikana farany momba ny fihaonan-dry zareo tamin’Andriamatoa Praiministra[2] ?

Andriamatoa Filoha,

Manohana ny fitakian’ny mponina hatrizay ka hatramin’izao izahay ny amin’ny hanajanonana tanteraka ny tetikasa VARA MADA aloha, fa aoka tsy ho lazaina hoe raha mifanaraka amin’ny mponina izy dia avela hanohy satria tsy mitsahatra ny mandà ilay tetikasa ny mponina[3]. Hery tsy mitovy no resahana, indrindra rehefa ohatry ny manasa tànana ny Filoha faratampony ao amin’ny Fanavaozana fa tsy manohana ny vahoakany.

Satria mbola ianao ihany koa no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanajana sy fiarovana ary fanatanterahana ny zon’ireo fokonolona voakasika ireo handà ankalalahana tanteraka izay tetikasa fampandrosoana tsy sahaza azy, dia tsy afaka ny hanasa tanana ianao amin’izay mety ho vokatry ny fifanandrinan’izy ireo amin’ny mpiandraikitra ny VARA MADA, izay efa voaporofo fa tsy nisalasala nampiasa herisetra sy tsindry amin’ny endrika samihafa mba hampandrosoana ny tetikasany.

Izahay izay manao sonia ity taratasy misokatra ity dia maneho ny firaisanay hina hatrany amin’ny fokonolona voakasiky ny tetikasa VARA MADA amin’izay tolona tsy maintsy mbola hataony amin’ny ho avy mba ahafahany miaina ao anatin’ny fahamendrehena sy ny fahalemana amin’ny lafiny rehetra, ary ny fiandrianana feno amin’ny harena voajanahary misy eo amin’ny tanindrazany.

Natao androany faha – 5 jona 2026