Tanànan’ i MAROVAZAVA-BE: TSY ARÔNJO, TSY AMIDY, TSY ALAFO!!!

Marovaza-Be, Fokontany Anjajavy, Kaomina Antonibe, Distrikan’Analalava, Faritra Sofia.

Miantso vonjy amin’ny tompon’andraikitra mahefa, ary manaitra ny vahoaka Malagasy manontolo ny mponina ao Marovaza-Be manoloana ny fibodoana tany, fangoronan-tany tsikelikely, fanaovana ampihimamba ny tanim-pokonolona, ny atiala, ary ny torapasika sy ny ranomasina, izay ataon’ny orinasa « TSINGY BAY » sy ireo mpiara-miasa aminy.

Nanomboka ny taona 2022 hatramin’izao fotoana izao, dia tsy mitsaha-mihitatra ary mitohy hatrany ny famefena torapasika sy ranomasina, famefena tany sy atiala, fanorenana foto-drafitrasa ankeriny ao Marovaza-Be, izay tsy nisy teny ieràna sy fifanekena akory tamin’ny fokonolona sy ny tompon-tanindrazana.

Ireo tany sy atiala ary ranomasina ireo anefa no andry iankinan’ny fiharian-karenan’ireo mponina ao Marovaza-Be. Mifototra ao avokoa ny asa aman-draharaha sy velon-tenan’izy ireo:  manjono, mamintana, manarato, mamboly, miompy; ka sady fitaovana ivelomany izany toerana izany, no tontolo iainana miantoka ny sakafon’ny isan-tokantrano sy ny fianakaviana.

Ankoatran’izay, tsy tanàna itomoerana fotsiny i Marovaza-Be fa Tanindrazana ifandrohizàna tantara aman-kolontsaina marolafy, ary toerana mitahiry tarazo ifandovàn’ny taranaka sy fiarahamonina mifandimby, izay maneho indrindra ny maha izy azy ny mponina.

Araka izany, dia ianjadian’ny fahavoazana sy fatiantoka goavana ireo vahoakan’ Marovaza-Be, kanefa mihatotoafo sy mihamafy hatrany koa ireo ambana amin’ny fahaverezan’ny tanin’izy ireo sy ny foto-pivelomany ary ny kolontsainy.

RAMATAHORA, TSINDRY HAZO LENA, FANAGADRÀNA…

Araka ny fanadihadiana natao tamin’ireo mponina ao Marovaza-Be, dia misy ny tsindry hazo lena, fandrahonana, fampitahorana, fisamborana, ary fanenjehana ara-pitsarana ireo olona tsy manaiky hivarotra ny tanindrazany, sy ireo olona manohitra ny famefena ny tany sy ny torapasika ary ny atiala ataon’ny orinasa Tsingy Bay.

Hita mazava tamin’izany fa notsindriana na noterena nivarotra ny taniny tamin’ny orinasa sy ny tompon’ny orinasa ireo mponin’i Marovaza-Be mpiasa tao amin’ny orinasa Tsingy Bay. Ka ireo tsy nanaiky nivarotra ny tanindrazany, dia noroahina tamin’ny asany tao amin’ny hotely, ary niharan’ny tsindry hazo lena tamin’ny endriny samihafa. Ary ireo mpiasa sasany kosa, dia voatery nivarotra tsy fidiny ny taniny, noho ny tsindry isan-karazany, ary ny tahotra ny ho very asa.

Izany tranga izany no noararaotin’ny orinasa Tsingy Bay nampisaraham-bazana sy nampizarazarana ireo mponina nanaiky nivarotra ny taniny, sy ireo mponina tsy nanaiky nivarotra tany sy manohitra ny famefena tany ao Marovaza-Be. Hany ka rava ny fihavanana teo amin’ireo mponina teo an-tanàna, izay niaina tao anatin’ny filaminana ary ny firindrana tokoa talohan’ny nahatongavan’ny orinasa Tsingy Bay.

Ankehitriny, mbola mitohy ny fandrahonana ankolaka na mivantana ireo olona tsy manaiky mivarotra ny tanindrazany, sy ireo manohitra ny famefena ny torapasika sy ny ala ary ny ranomasina. Araka izany, ny talata 18 Novambra 2026 lasa teo, dia tonga tao Marovaza-Be indray ny mpisolovava izay ampiasain’ny orinasa Tsingy bay, niaraka tamin’ny Benin’ny tanàna sy ny mpandrefy tany.

Niteraka savorivory teo amin’ny fokonolona izany, nohon’ny fahitan’izy ireo ny fananganana fotodrafitrasa sy famefena ny lalàna hifameziveven’ny mponina.  Indrindra ihany koa ny famefena ireo toerana izay tany manan-tompo anatin’ny faritrin’ny tanàna, Nanamarika ireo mponina fa miasa andro aman’alina mihintsy ireo mpiasa mpandrefy tany ireo, ary rehefa nanontany azy ireo fokonolona voakasika dia nolazain’izy ireo fa tany efa novidiny ireo tany ireo, ka izany no antony hanombohany ny asa fanangànana.

Ankoatran’ny famefena ny sisin-dranomasina sy ny ala, dia manomboka mamefy ny ao an-tanana (ilany avaratra) ihany koa ny mpiasa avy ao amin’ny orinasa Tsingy Bay. Nambaran’ ny Ben’ny tanana nandritra izany moa fa hamory ireto vahoaka sy hifampidinika amin’izy ireo ny tenany ny alakamisy 18 Novambra 2026.

Marihina fa tsy nisy teny ieràna sy fifanekena tamin’ny fonkonolona izany rehetra izany.  Tsy misy ihany koa ny taratasy mamanarina ny fitompona ny tany rehefa nitaky izany ny fokonolona.

 AHIAHY, TAHOTRA, TEBITEBY, KORONTANA…

Manoloana ireo toe-java-misy ireo, dia miaina ao anatin’ny tebiteby, sy ny tahotra, ary ny tsy fandriampahalemana ireo mponina, ka tsy afaka manatanteraka ankalalahana sy araka ny tokony ho izy ny velon-tenany ary ny asa aman-draharahany andavan’andro.  Izany dia misy fiantraikany goavana amin’ny fivoaran’ny ankohonany sy ny fianakaviany, ary ny fandrosoan’ny fokonolona.

Noho izany, dia manaitra sy manao antso avo aminareo tompon’andraikitra mahefa ny fokonolona ao Marovaza-Be, ary mitaky ny hisian’ny fanadihadiana mangarahara sy tsy mitanila, ary fandraisana fepetra haingana, hentitra, ampy, ary ara-drariny, mba hamahana marina tokoa ny olana ao an-toerana.

FITAKIAN’NY FOKONOLONA :

– Ny famerenana tanteraka ny taniny amin’ireo mponina tompon-tany.

– Ny fanomezana karatany faobe ho an’ny mponina, mba hiantohana ny fiarovana sy ampanan-kery ny zony amin’ny tany, ary ampanara-dalàna ireo tany, izay tontolo iankinan’ny foto-piveloman’ny mponina.

– Ny fanaovana fanadihadiana malalaka sy mangarahara ary tsy mitanila momba ireo tranga rehetra voalaza, indrindra ny tsindry hazo lena, fandrahonana, fampitahorana, fisamborana, ary fanenjehana ara-pitsarana.

– Ny fandraisana fepetra sy fanasaziana araka ny lalàna, ireo olona voaporofo fa nanao tsy rariny, tsindry hazo lena, ramatahora, fanararaotam-pahefana, ary kolikoly.

– Ny fanomezana tosika sy fanohanana ny vahoaka amin’ny asa aman-draharahany andavan’andro, indrindra eo amin’ny fambolena, fiompiana, fanjonoana, fanaratoana ary ireo asa fivelomana hafa.

– Ny famerenana sy fanamafisana ny fitantanana ny ala sy ny ranomasina amin’ireo vondron’olona ifotony (VOI), amin’ny fomba manaja ny zon’ny fokonolona, sy miantoka ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary.

 

Natao teto Marovaza-Be, 20 Novembre 2026.

– Fikambanana Tsinjo Lavitra Marovaza Be; C/O RJDD

– Réseau des Jeunes pour le Développement Durable (RJDD) – rjdd.madagascar@gmail.com; https://web.facebook.com/RJDDMadagascar

– Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives de Développement – Océan Indien (CRAAD-OI) –  craad.madagascar@gmail.com ; http://craadoimada.com