Ny solotena avy amin’ireto fokontany manaraka ireto dia manambara etoana fa tsy manaiky ny tetikasa fitrandrahana « terres rares » ao amin’ny faritra iainan’izy ireo, ary vonona hitaky hatrany ny zony handà ny fanaovana an’io tetikasa io izay handrava ny fivelomany sy ny tontolo iainany.
- Fokontany Antsirabe
- Fokontany Befitina
- Fokontany Ambodimadiro
- Fokontany Anjiabory
- Fokontany Betaimboay
- Fokontany Ankotsopo,
- Fokontany Bemaneviky
- Fokontany Ankaramibe
- Fokontany Tsarabanja
- Fokontany Ambodimangatelo
- Fokontany Ambalabao
- Fokontany Jojan’ny gora
- Fokontany Ankobabe
- Fokontany Ambodifinesy
- Fokontany Tanambao Nafindra
- Fokontany Berahodaka
- Fokontany Ambaliha
- Fokontany Ambatobe.
Ireto manaraka ireto ny anton’izany tsy fanekena izany :
Amin’ny ankapobeny, dia tsy misy ny mangarahara eo amin’ny seraseran’ny mponina, ny tompon’ny tetikasa ary ny ambaratongam-pahefana mahefa. Tsy nisy fanazavana na adi-hevitra natao mialoha tamin’ireo fokonolona voakasiky ny tetikasa ho fakàna ny heviny, araka ny voalazan’ny lalàna manan-kery eto Madagasikara, fa teniko fe lehibe no natao.
Noho izany toe-javatra izany dia mahatsapa ireo fokonolona voalaza etsy ambony fa voahitsakitsaka tanteraka ny zon’izy ireo hahafantatra sy hanapa-kevitra mikasika ity tetikasa ity, ka hisafidy ankalalahana tanteraka izay tetikasa fampandrosoana sahaza azy ; ary indrindra indrindra ny zony tsy hanaiky ny fangoronan’ny orinasa vahiny ny tanindrazany sy ny fandravana ny foto-pivelomany.
Mahakasika lafiny maro amin’ny fiainan’ny mponina sy ny ho avy ary ny lovan’ny taranaka fara-mandimby eo amin’ny toeram-pitrandrahana ny anton’ny tsy fanekena ny tetikasa fitrandrahana « terres rares » ao Ampasindava.
Mahakasika ny ara-tontolo iainana :
- Hisy fiantraikany ratsy izay tsy azo ialana amin’ny ala sy ny zava-manan’aina rehetra ao anatin’ny toerana hanaovana ny fitrandrahana sy manerana ny faritra ny tetikasa.
- Ho voafafa eo amin’ny tantaram-pirenena ireo zavaboahary tsy misy afa-tsy eto Ampasindava.
- Hanakorontana ny firindran’ny tontolo manodidina ny tetikasa, ary tsy azo antoka ny fitantanana ireo faika vokatry ny asa fitrandrahana, izay mety hanimba ny loharano izay ampiasain’ny mponina amin’ny fambolena ary sotroin’ny mponina sy ireo biby fiompy.
- Mety hanapoizina koa ny ranomasina sy ny hazandranomasina ireo faika ireo.
- Handoto ny rivotra iainana ny fielezan’ny vovoka, ny entona ary ireo poti-javamadinika avy amin’ny tetikasa.
Hiteraka fahalotoana henon’ny sofina (pollution sonore) ny tabataba vokatry ny asa fitrandrahana isan-karazany sy ny fitaomana ireo vokatra.
Mahakasika ny tany sy ny ny antom-piveloman’ny mponina ary ny toe-karena :
- Ny fambolena no antom-piveloman’ny mponina ao amin’ny faritra hitrandrahana, nefa dia tsy hanana asa sy toeram-pivelomana ireo mponina izay ho esorina amin’ny taniny rehefa hanomboka ny tetikasa.
- Hanitsakitsaka ny zon’ireo olona mivelona amin’ireo vokatra voajanahary ao anaty ala ny tetikasa, satria hanapaka ny ala sy ny zava-maniry saro-bidy amin’izy ireo.
- Tsy ho voasolo araka izay ilana azy ireo tany sy antom-pivelomana izay ho esorina aminy.
- Araka ny efa hita any amin’ny faritra misy tetikasa fitrandrahana goavana, dia hiakatra ny vidim-piainana rehefa hanomboka ny tetikasa.
- Ho rava ny sehatry ny fizahan-tany sy ny fiharin-karena samihafa eto amin’ny faritra, indrindra fa ny harena an-dranomasina.
Mahakasika ny fahasalamana
- Hampitombo ny tsy fahampian-tsakafo sy ny aretina vokatr’izany ny fanesorana ny mponina amin’ny tany sy ny vokatra voajanahary fivelomany.
- Ho voapoizin’ireo fahalotoana avy amin’ny fitrandrahana sy fanivanana « terres rares» ny ranomasina sy ny tontolo iainana rehetra manodidina, izay mety hiteraka voka-dratsy amin’ny fahasalaman’ny mponina.
- Tsy mazava ary tsy voafehy ny mety ho fiantraikan’ny fanivanana sy ny fikirakirana ny terres rares amin’ny fahasalaman’ireo mpiasa sy ny mponina manodidina ny toeram-pitrandrahana, izay fantatra fa nampidi-doza azy ireo tany amin’ny tany hafa toy ny Malaisie sy Chine.
Mahakasika ny kolotsaina
- Ho simba ny kolotsaina sy ny fomba amam-panao amin’ny faritra hitrandrahana.
- Hafindra ny fasan-drazana, ary ho voakasika ireo toerana masina sy fijoroana izay tena mifanohitra amin’ny fomba amampanaon’ny foko monina amin’ny toeram-pitrandrahana.
Eo anatrehan’ireo fanitsakitsahana ny zon’ny fokonolona vokasiky ny tetikasa fitrandrahana ireo, ary noho ireo anton-javatra voalaza rehetra ireo, dia manao antso avo ho an’ny fitondram-panjakana izahay solotena izay manao sonia eto ambany mba hihaino ny feonay vahoaka madinika ka tsy hanome fahazoan-dalana hitrandraka ho an’ny orinasa Harena Rare Earths Plc.
Natao androany faha – 18 Febroary 2026