26 JONA 2026 : TENA FAHALEOVANTENA MARINA VE NO HANKALAZAINA AMIN’IO ANDRO IO ?
Efa nanomboka tamin’ny 02 Jona ireo hetsika samihafa izay nentina nankalazana ny faha-66 taonan’ny niverenan’ny fahaleovantena sy nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy. Hatramin’izao fotoana izao anefa dia mbola tsy nisy mihitsy ny hetsika, na farafaharatsiny ny resaka mikasika ny fitakiana ireo Nosy Malagasy antsoina hoe Juan de Nova, Europa ary Bassas da India.
Izahay ao anatin’ny fikambanana izay manao sonia ity fanambarana ity dia mampahatsiahy ny Fitondram-panjakana fa tsy tafaverina tanteraka ny fahaleovantenan’ny firenena Malagasy raha toa ka mbola mijanona ao ambanin’ny fahefan’ny fanjakana Frantsay ireo Nosy Malagasy ireo. Noho izany dia adidy masina izay tsy azo ialan’izao Fitondran’ny Fanavaozana izao – indrindra indrindra amin’ny maha-miaramila azy – ny manohy ny fitakiana ireo Nosy Malagasy ireo, mba hanoritana mazava fa rehefa niverina ny fahaleovantenan’i Madagasikara, dia miverina aminy feno tsy misy animbinana ny zaratany sy ny faritra maha-Madagasikara an’i Madagasikara manontolo.
Manahiran-tsaina tokoa anefa ny fahanginan’ny Filohan’ ny Fanavaozana an’i Madagasikara (PRRM) mikasika ireo Nosy Malagasy ireo nandritry ny fihaonany indroa tamin’ny Filoha Frantsay, raha toa ka tokony nametraka mazava izy tamin’izany fa manana ny fiandrianampizakàna feno an’ireo Nosikeliny ireo i Madagasikara. Tokony nanamarika ihany koa ny PRRM fa ny tsy fanajàn’ny fanjakana Frantsay ny lalànafanapahana navoakan’ny firenena mikambana (ONU) tamin’ny taona 1979, dia endriky ny fanaparam-pahefan’ny mpanjanaka izay tiany mbola hotohizana hatrany.
Tsy izany anefa no nisy, fa fifanarahana vao mainka mampanahy ho an’ny fiandrianam-pirenena no natao, satria mikasika ny famelana ny miaramila frantsay hiverina ao amin’ny toby ao Antsiranana nipetrahany talohan’ny nandroahana azy ireo tamin’ny taona 1973, amin’ny alalan’ny fandraisany anjara amin’ny fanamboarana io toby miaramila io.
Amin’izao ankatoky ny fetim-pirenena fankalazana ny faha-66 taonan’ny niverenan’ny fahaleovantena izao, dia tianay koa ny mampahatsiaro ity hafatra manaraka ity avy amin’ny SEHATRY NY RAIAMANDRENY (SERA) tamin’ny 17 Jona 2025 :
« Tsy mahazo manao antandrevaka, ary tsy afaka hamela ny hafa mbola hiady hevitra momba ny fiandrianampizakàna feno an’ireo Nosikeliny ireo i Madagasikara. Raha tsy izany, dia hanary ny azo sy handrarak’ilo mby an-doha izy, ka ho very hasina tanteraka eo amin’ny sehatra iraisampirenena. Dia hihanjahanja fa mbola mpanarak’ambokony sy mitoetra ho mpandadilady amin’izay nanjanaka azy izy, na dia ankehitriny izao aza.»
MASINA NY TANINDRAZANA, ARY ADIDY MASINA IHANY KOA NY FITAKIANA SY NY FIAROVANA AZY !
Antananarivo, 24 Jona 2026.
- Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives de Développement – Océan Indien (CRAAD-OI) ; craad.madagascar@gmail.com ; http://craadoimada.com
- Concret-S / Human Rights ; https://concret-s-humanrights.com
- Femmes en Action Rurale de Madagascar (FARM) ; farmmadagascar@gmail.com; https://web.facebook.com/farmadagascar
- Réseau des Jeunes pour le Développement Durable (RJDD) ; rjdd.madagascar@gmail.com ; https://web.facebook.com/RJDDMadagascar
- Komity Fanorenana Ifotony an’i Madagasikara (KFIM)