ANTSO AVO
MANOLOANA NY TETIKASA FAMETRAHANA FOIBE FAMOKARANA MASOMBOLY VARY SAFIOTRA
(HYBRIDE) HIARAHA-MIASA AMIN’NY FIRENENA SINOA
Manoloana ny fanambarana nataon’Andriamatoa Praiminisitra mikasika ny hametrahana foibe famokarana masomboly vary safiotra (hybride) eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny firenena Sinoa, izahay solontenan’ny tantsaha sy ny mpiaro ny fitandroana ny tontolo iainana ary ny fiandrianana ara-tsakafo dia manao izao fanambarana izao.
Raha ny fanatsarana ny vokatra sy ny hanatrarana ny fiandrianana ara-tsakafo no tanjona iombonana, dia miteraka ahiahy lehibe eo amin’ny tantsaha malagasy kosa ny fomba hananganana sy hitantana ity tetikasa ity, satria :
- Ny masomboly safiotra (F1) dia tsy azo ampiasaina indray rehefa hiditra amin’ny taom-pambolena manaraka fa mihena be ny vokatra azo avy aminy (ségrégation génétique). Izany dia manery ny tantsaha hividy masomboly vaovao hatrany isan-taona, ka mametraka azy ireo ao anatin’ny fiankinan-doha ara-bola sy ara-masomboly amin’ireo orinasa na foibe mpamokatra, ary koa hitarika ho any amin’ny fahaverezan’ireo masomboly zana-tany misy eto amin-tsika.
- Ny vary safiotra dia mila fampiasana zezika simika sy fanafody simika mamono bibikely ampy tsara vao mamoaka ny voka-pikarohana nangatahina aminy. Izany dia mampitombo ny fandaniana ho an’ny tantsaha madinika tsy manana fahefana ara-bola ary mampitombo ny fampiasana akora simika betsaka loatra izay hisy voka-dratsy lehibe eo amin’ny tany, rano, rohy voahary ary ny fahasalaman’ny olombelona.
- Ahiahy lehibe ho an’ny tantsaha ihany koa ny fomba hahazoana ny tany midadasika hametrahana io foibe io ary ny fitsinjarana ny rano hampiasaina amin’izany manoloana ny toeram-pambolena manodidina mety ho voakasika.
Mba hahazoana antoka fa tsy ho fitaovana hahavery anjara ny tantsaha Malagasy ity tetikasa ity, izahay dia mametraka ireto fanontaniana sy teboka heverina fa tokony hila fanazavana avy aminareo ireto:
- Inona avy no fepetra noraisina hiarovana ny tantsaha malagasy tsy hiharan’ireo fahavoazana voatanisa eo ambony ireo ?
- Inona ary mipetraka ve ny fepetra fiarovan-tena sy fisorohan-doza (principe de précaution) eo amin’ny lafiny ara-tontolo iainana, toetra’ndro, ary ara-tsosialy amin’ity tetikasa ity, indrindra indrindra ny lafiny fiarovana ny masomboly zana-tany? Inona avy ireo fanadihadiana momba ny mety ho fiantraikany amin’ny masomboly zana-tany, amin’ny tantsaha malagasy, ny tontolo iainana sy ny nofon-tany ary azo jerena imasom-bahoaka ve izany ?
- Fahaiza-manao sy ny traikefa ara-tsiansa avy aiza marina no hanatanterahana izao famokarana izao? Aiza ho aiza ny toeran’ny sampam-pikarohana Malagasy FOFIFA amin’izao tetikasa izao? Voahilika sy tsy nasiana vidiny ve ny fikarohana efa nataon’ny FOFIFA am-polo taonany maro, sa dia sampam-pikarohana Malagasy efa very momoka fotsiny izy manoloana ny fidirana an-tsehatry ny mpiara-miasa avy any ivelany?
- Inona marina ireo fepetra sy lalàna mifehy io fifanarahana io teo amin’ny Governemanta Malagasy sy ny Governemanta/Orinasa Sinoa ity? Ary ahoana ny fomba hitsinjovana ny tantsaha madinika mba hahazoany tombontsoa ara-drariny amin’izany?
Tsy toherinay ny fampandrosoana sy ny fikarohana teknolojia vaovao amin’ny fambolena, saingy amim-panajana lehibe no asim-pahatsiahivana fa ny tena fiandrianana ara-tsakafo dia miorina amin’ny fahaiza-manao eo an-toerana, ny fampandraisana anjara feno sy fanohanana ny tantsaha madinika, ny fahaizana mampiasa ny fikarohana sy ny masomboly nasionaly, ary ny fiarovana ny fahaleovantenan’ny famokarana eto Madagasikara.
Koa antsoinay amim-panajana ianao Andriamatoa Praiminisitra mba hanome valiny mazava sy hanaiky ny hanao ady hevitra miaraka amin’ireo fikambanan’ny tantsaha voakasika rehetra sy ny mpahay fikarohana malagasy alohan’ny hanatanterahana izao tetikasa izao.
Antananarivo, faha-24 Septambra 2026
- Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives de Développement – Océan Indien (CRAAD-OI) ; craad.madagascar@gmail.com ; http://craadoimada.com
- Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY ; malagasy@gmail.com, https://terresmalgaches.info
- Comité national de l’agriculture familiale malagasy (CNAF)
- Femmes en Action Rurale de Madagascar (FARM) ; farmmadagascar@gmail.com; https://web.facebook.com/farmadagascar
- Federasiona ny vehivavy tantsaha eto madagasikara (FVTM)
- Réseau des Jeunes pour le Développement Durable (RJDD) ; madagascar@gmail.com ; https://web.facebook.com/RJDDMadagascar