Nasain’ Andriamatoa Ministry ny Fambolena sy ny Fiandrianana ara-tsakafo hivory ireo fikambanana niarananasonia ilay Fanairana ny vahoaka malagasy momba ny fifanarahana fiaraha-miasa ara-toekarena (APE) naparitaky ny fikambananan’ny tantsaha sy ny firaisamonim-pirenena taminy 5 Jona 2026 (1) ka ny alarobia 01 Jolay tao Antananarivo no natao ny fivoriana.
Maro ireo Tale sy tompon’andraikitra samihafa ao amin’ny Ministera nanatrika izany, ireo fikambanana kosa sady nisy tonga tao amin’ny efitra fivorian’ny Ministera, toy ny Lehiben’ny Fikambananan’ny Tantsaha maromaro, no nisy ny nandray anjara anjotra avy any amin’ny tanàna hafa.
Fideràna ireo fikambanana naneho ny fiarovana ny zon’ny Tantsaha tamin’ny alalan’iny Fanairana iny no voalohantenin’Andriamatoa Ministra Ramindo Gaëtan. Avy eo dia famaliana ireo fanontaniana samihafa napetraka ary famporisihina ny hisian’ny fifanatonana sy fifanakalozana ary fiaraha-miasa eo amin’ny fikambanana sy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Ministera. Mpiasanareo izahay hoy izy sy volanareo no anakaramàna anay, noho izany
dia aza matahotra manatona sy miantso rehefa misy ilàna izany.
Maromaro ireo lohahevitra nangatahan’ireo fikambanana fanazavàna sy nahazoana valiny. Fohy ny fotoana satria efa nampandre ny mpampiantrano fa tsy maintsy handeha hamonjy Filan-kevitry ny Ministra fa savaranonando ihany ilay fivoriana voalohany niarahana iny. Koa ninia tsy mbola niroso tamin’ny adi-hevitra lalina momba ny teboka rehetra ireo fikambanana fa nihaino tsara hatrany aloha.
Ny mahakasika ny APE (2) sy UPOV (3) no tena maika sy vain-dohan-draharaha tamin’io fivoriana io :
– Mahakasika ny fiaraha-manomana ny Fifanarahana fiaraha-miasa ara-ekonomika tamin’ny Vondrona Eropeanina APE
– Nitarainan’ireo fikambanana fa tsy nampandraisana anjara ny Tantsaha dia voalaza fa nisy fiantsoana fikambanana izay tsy namaly.
– Momba ny masomboly dia nampahafantarin’Andriamatoa Ministra fa tsy mpikambana ao amin’ny UPOV i Madagasikara fa mankato kosa ny TIRPAA (4). Tsy manana lalàna momba ny « obtenTIons végétales » izay miaro ny mpamorona masomboly (5) i Madagasikara sy tsy mbola nanomboka namolavola lalàna momba izany. Ary manohana ny fahafahan’ny tantsaha Malagasy manana safidy tanteraka amin’izay masomboly hampiasainy.
– Notsindrian’ireo fikambanana ary neken’Andriamatoa Ministra ny fangatahana hahazo ny votoatin’ny fifanarahana APE voasonia taminy 10 jona 2026 fa tena ilaina mba hahitàna ny antsimpririany sy hahafantarana mazava
* raha mamela ny tantsaha hampiasa sy hamokatra masomboly ankahalalahana ny fifanarahana voasonia,
* na fanehoana fanirina sy hafatrafatra momba ny hanaovan’i Madagasikara lalàna mahakasika ny « obtentions végétales » no misoratra ao,
* na ilay tolokevitry ny Vondrona Eropeanina voalohany nandritry ny fifanakalozan-kevitra milaza hoe « Ny andaniny tsirairay dia hiaro ny zon’ny karazana zava-maniry araka ny Fifanarahana Iraisam-pirenena ho Fiarovana ny Karazana Zava-maniry Vaovao (UPOV) araka ny fanitsiana farany natao tany Genève tamin’ny 19 Martsa (6) no niaraha-nanasonia.
Tokony hampahafantarina ny vahoaka malagasy tokoa mantsy ny votoatin’ny fifanarahana APE satria maro ny sehatra ara-toe-karena voaresaka ao ary indrindra iankinan’ny ain-dehiben’ny zon’ny Tantsaha hampiasa masomboly, ny Tantsaha izay maro an’isa eto Madagasikara sy miantoka ny zon’ny Malagasy hisakafo.
Ny hevi-dehibe tsara ho zaraina dia ny nanamafisan’ireo mpiandraikitra ao amin’ny Ministera sy ireto Fikambanan’ny tantsaha sy firaisamonimpirenana fa hifanakalo mialoha sy hiara-hiasa rehefa misy fanapaha-kevitra lehibe tokony ho raisina mahakasika ny fampandrosoana ny tantsaha sy ny fambolena ary ny famokarana .
02 Jolay 2026
Sonia
– Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives de Développement – CRAAD-OI
– CNAF – Comité National pour l’Agriculture Familiale
– Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY
– FVTM – Fivondronan’ny Vehivavy Tantsaha eto Madagasikara
– FARM – Femme en Action Rurale de Madagascar
– FEKRITAMA – Confédération des Agriculteurs Malgaches
– PLATEFORME REGIONALE SOCIETE CIVILE ALAOTRA MANGORO
– Réseau des Jeunes pour le Développement Durable _ RJDD
– Association FAFAMA MORAMANGA
-Observatoire de la Jeunesse
– Organisation Paysanne AKOTRY
– Tantsaha Mivoatsy
_______________________________________________________________________________________
Rakitra nakana hevitra sy fanazavàna fohy :
(1) https://terresmalgaches.info/collectif-tany-fiandrianana-ara-tsakafo-madagasikara-ape-vondrona-eropeanina/
(2) APE : Fifanarahana Fiaraha-miasa ara-ekonomika eo amin’ny Vondrona Eropeanina sy nosy 4 aty amin’ny Ranomasimbe
Indiana, anisan’izany i Madagasikara, voasonia ny 10 jona 2026 : https://ue-madagascar.org/news_articles/62
(3) Ny UPOV na Union Interna onale pour la Protec on des Obten ons Végétales dia fikambanana firenena maromaro natao
hiarovana ny orinasa na ny voka-pikarohana momba ny masomboly. Manamafy sy miaro ny zon’ny fananana ara-tsaina (droit de
propriété intellectuelle) ny UPOV ka raha mampiasa ireo masomboly fehezin’ny UPOV, na mampitombo azy na mifanakalo
amin’ny samy tantsaha, dia tsy maintsy mividy na mandoa ny vola (sanda na royal es) takian’ny nilaza fa namorona azy. Raha tsy
manaja izany ny tantsaha mpamokatra dia voasazy.
(4) Ny TIRPAA na Traité Interna onal sur les Ressources Phytogéné ques pour l’Alimenta on et l’Agriculture, iarahana amin’ny
FAO – Fikambanana Maneran-Tany momba ny Sakafo sy ny Fambolena -, dia nosoniavin’ny Fanjakàna Malagasy taminy mars 2006
mba hiarovana ny zon’ny Tantsaha, indrindra mahakasika ny masomboly.
(5) Ny « loi sur les obtentionons végétales » no lalàna miaro ny zon’ny mpamorona masomboly.
(6) https://circabc.europa.eu/ui/group/09242a36-a438-40fd-a7af-fe32e36cbd0e/library/21e92e69-ca78-4221-a07e-95cff9b76ce5/details/
Toy izao ny teny anglisy misoratra ao amin’io rakitra io: “Each Party shall protect plant varieties rights in accordance with the
International Convention for the Protec on of New Varie es of Plants (UPOV) as lastly revised in Geneva on 19 March 1991”.
Azo adika toy izao amin’ny teny frantsay : “Chaque Partie protègera les droits sur les variétés végétales conformément à la
Convention internationale pour la protection des obtentions végétales (UPOV), telle que révisée en dernier lieu à Genève le 19
mars 1991”