TARATASY MISOKATRA HO AN’ANDRIAMATOA FILOHAN’NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA. NY FANAVAOZANA MARINA DIA MITAKY NY FIHAINOANA NY FEON’IREO VAHOAKA VOAKASIKA MITAKY NY FAMPITSAHARANA NY TETIKASA FITRANDRAHANA MAMPIDI-DOZA BASE TOLIARA IZAY EFA NOLAVINY MARINDRANO HATRAMIN’IZAY.

Hita sy re tao anatin’ny tolom-bahoaka sy ny tatitra avy amin’ny haino vaky jery, fa mitaky tsy ankijanona ny fampitsaharana ny tetikasa fitrandrahana fasimainty sy monazite Base Toliara ireo vahoaka voakasika, izay voatery niafina tany anaty ala hatramin’ny volana Jolay 2025 nohon’ny hazalambo nataon’ireo milisy ao amin’ny Voromahery miaraka amin’ny zandary sy miaramila, izay niafara tamin’ny famonoana ankitsirano ny raim-pianakaviana iray mpikambana MAZOTO ao Ampasimagniliky, kaomin’Ankilimalinike, tamin’ny 13 Septambra 2025.

Eo anatrehan’izany fitakiana izany anefa, dia mampanahy sady mampametra-panontaniana ny fanendrena ny Minisitra miandraikitra ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, izay efa fantatra hatramin’ny ela fa anisan’ny mpanohana matanjaka ny tetikasa Base Toliara na teo anivon’ny asany tao amin’ny Ministera na tao amin’ny Chambre des Mines. Io Minisitra vaovao io dia anisan’ireo tompon’andraikitra nisafidy ny hanao toy ny tsy misy ireo taratasy misokatra sy fampitandremana nalefa taminy efa nanomboka tamin’ny taona 2014 mikasika ny radioactivité sy ny voka-dratsy amin’ny tontolo iainana izay hateraky ny tetikasa fitrandrahana fasimainty sy monazite.

Ataony toy ny tsy misy ihany koa ireo loza nihatra tamin’ireo vahoaka ao Taolagnaro voakasiky ny tetikasa Rio Tinto-QMM, izay mitrandraka fasimainty sy monazite koa. Tsara ny mampahatsiahy azy fa i Rio Tinto dia miatrika fitoriana manoloana ny Tribonaly any Londres (Angletera) nohon’ny fandotoany ny rano fampiasa sy fisotron’ireo fokonolona manodidina ny fitrandrahan’i RioTinto-QMM amin’ny firaka (plomb) sy Uranium , izay namono ny trondro sady mitera-doza mahafaty ho an’ny fahasalamam-bahoaka.

Izany fahasarotan’ny ambana avy amin’ny radioactivité izany mihitsy anefa no antony lehibe amin’ny fanoheran’ireo fokonolona voakasiky ny tetikasa Base Toliara hatramin’ny voalohany. Efa hatramin’ny taona 2014 no efa nisy fikarohana siantifika maromaro nanamarina fa rehefa avoaka avy any ambanin’ny tany ny fasimainty ao Ranobe dia miteraka radioactivité avy amin’ny Uranium sy Thorium 232 mahatratra 10600-10700 Bequerel/kg, izay mihoatra lavitra ny fenitra 10000 Bequerel/kg izay zakan’ny vatan’olombelona napetraky ny Agence Internationale de l’Energie Atomique (AIEA). Nanamafy izany vokam-pikarohana izany ny Etude de Préfaisabilité navoakan’i Base Resources, izay foiben’i Base Toliara, tamin’ny 21 mars 2019 .

Ny Etude de Préfaisabilité mikasika ny monazite navoakan’i Base Resources tamin’ny volana desambra 2023 ihany koa no milaza mazava fa ny fitrandrahana sy ny fikirakirana (concentration) ny monazite dia vao mainka hampitombo ny loza manambana avy amin’ny radioactivité ho an’ny fahasalamana ary ny ain’ireo mpiasa sy ny mponina manodidina (…) Ny monazite avy amin’ny tetikasa Base Toliara dia heverina fa anisan’ny entam-barotra mampidi-doza ao anatin”ny sokajy 7 (…) nohon’ny tahan’ny radioactivité avo be ao anatiny, sady mitaky fepetra manokana amin’ny fitaomana sy ny fivarotana azy (…), ary koa sambo voatokana ho azy irery satria voarara ny fifangaroana amin’ny entana hafa mandritry ny fitaterana.

Izany radioactivité mahery be izany dia tsy maintsy hiantefa amin’ny rohivoahary manontolo, sady mety hiteraka omamiadana sy aretina amin’ny zaza ao am-bohoka ho an’ny mponina ao Ranobe sy ny fokontany manodidina. Satria manampoizina ny rano sy ny rivotra iainana ny Uranium sy ny Thorium, dia mety ho tratry ny aretina mahafaty sy olana ara-pahasalamana handoza ny taranaka fara-mandimbiny ihany koa ireo olona manaiky sy miandrandra ny tetikasa Base Toliara ankehitriny.

Andriamatoa Filoha,

  • Tsy azo ekena ny firaisana tsikombakomban’ny mpitondra politika Malagasy amin’ireo orinasa mpitrandraka avy amin’ny firenena samihafa toy ny Base Toliara sy Rio Tinto, izay tetikasa miteraka voka-dratsy maro izay efa fantatra tsara eo amin’ireo fokonolona voakasika . Ity firaisana tsikombakomba ity dia tena manafintohina tokoa satria manitsakitsaka ny zon’ny mponina amin’ny fandavana na fanekena malalaka ny tetikasa toy itony, ary indrindra loza manambana ny antom-pivelomany sy ny zony amin’ny tany, ny rano ary ny tontolo iainana madio, mahasalama sady maharitra.
  • Araka izany, dia tsy nambaran’ny Masoivoho Malagasy any Etazonia tamin’ny fandaharana manokana nataon’ny TV PLUS tamin’ny 26 aprily 2025 fa i Energy Fuels Inc. dia miatrika fanoherana mafy avy amin’ny foko Ute Mountain Ute, izay mipetraka eo akaikin’ny orinasa famokarany Uranium ao White Mesa (Utah), nohon’ny vokadratsy ateraky ny orinasa amin’ny tontolo iainana sy ny fahasalaman’izy ireo . Na izany aza no zava-misy any Utah, dia tsy mihambahamba ary vonona tanteraka ny orinasa Energy Fuels Inc. handrava ny antom-pivelomana sy ny tontolo iainan’ireo fokonolona voakasiky ny tetikasa fitrandrahany ao amin’ny distrikan’i Toliara I sy II.
  • Manoloana ny fifanarahana (protocole d’accord) nataon’ny fitondram-pankakana teo aloha mikasika ny fanatanterahana ny tetikasa Base Toliara, ny fokonolona voakasika sy ireo fikambanana manao sonia ity fanambarana ity dia manamarika fa ny fankatoavana ny fifanarahana amin’ny tetikasan’i Energy Fuels Inc hitrandraka fasimainty sy monazite eto Madagasikara hamokarany terres rares, dia fankatoavana tsy misy hambahamba ny fanaovana ho sorona ireo toerana fitrandrahana sy ireo mponina voakasika. Izany no atao dia mba hanamafisana ny famatsiana angovo sy mineraly critiques an’ny fanjakana amerikana, izay nanapa-kevitra fa hiaro ny mponina sy ny tontolo iainana ao aminy mba tsy ho tratry ny vokadratsin’ny famokarana terres rares, ka hanondrana izany loza manambana rehetra izany any amin’ny fokonolona sy ny rohivoahary ao amin’ny distrikan’i Toliara I sy II.
  • Tianay koa ny mampahatsiahy anao sy ny manam-pahefana mahefa rehetra, fa amin’ny olom-pirenena no anananareo tamberin’andraikitra voalohany indrindra, sady ianareo ihany koa no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanajana sy fiarovana ary fanatanterahana ny zon’ireo olom-pirenena ireo hisafidy ankalalahana tanteraka izay tetikasa fampandrosoana sahaza azy.
  • Noho izany dia manao antso avo aminareo mpitondra sy manam-pahefana mahefa izahay etoana, mba hihaino ny feon’ny fokonolona izay tsy nitsahatra nitaky an-taona maro izay ny fanajanonana tsy misy hatak’andro ity tetikasa Base Toliara ity, ary handinika ny fanampiana azy amin’ny fomba sahaza ho fampandrosoana ny seha-pihariana ivelomany amin’ny fambolena sy fiompiana ary jono nentim-paharazana.
  • Farany, mamerina ary manamafy izahay Fokonolona voakasiky ny tetikasa Base Toliara fa tsy manaiky hatramin’ny farany ny fitrandrahana fasimainty sy monazite aty amin’ny fokontany misy anay, ary vonona hitaky hatrany ny zonay handà ny fanaovana an’io tetikasa io izay handrava ny fivelomanay sy ny tontolo iainanay.

Natao androany faha-29 oktobra 2025.

• Fikambanan’ny Masikoro Arivolahy Antananarivo (FI.MA.)
• Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives de Développement – Océan Indien (CRAAD-OI),
• Femmes en Action Rurale de Madagascar (F.A.R.M),
• Réseau des Jeunes pour le Développement Durable (R.J.D.D.),
• Fikambanan’ny Fiherena Manombo Mangoky (FI.FI.MA.MA.).