Ny 28 Septambra 2017, dia nandefa tatitra Andriamatoa Hakijamii mitondra ny lohateny hoe « Titanium Benefit sharing in Kwale County ».
Izy io dia milaza fanadihadihana momba ny fizarana tombontsoan’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany ao Nguluku, izao toerana nisian’ny olona voatery nafindra toerana ka Bwiti no toeram-pandraisana amin’io fitrandrahana Titana ao Maumba, tanànan’i Kwale.
Ny fitsirihana dia nilaza fa tsy misy fizarana mitovy ny tombontsoa amin’izao toe-javatra izao. Ny mponina ao Nguluku sy Bwiti dia mbola miaina hatrany ny fahatrana ara-tsosialy sy ekonomika, na dia eo aza ny tetikasa fitrandrahana izay nahafahana nitango vola lavitrisa dolara noho ilay fitrandrahana titane teo amin’ny tokontaniny taloha. Raha ny fahefana mahazo sakafo mahavelona tao Nguluku, ny fanadihadiana dia nilaza fa 18,2% monja amin’ny mponina nanaovana fanadihadiana no afaka misakafo intelo, ny 68,2% dia indroa ary ny 13,6% indray mandeha, ary ny 95,5% dia milaza indraindray fa mandry fotsy, Ny ao Bwiti kosa 5,9% ny olona nohadihadiana dia afaka misakafo 3 isan’andro, 84,2% indroa, ary 11,8% indray mandeha ary 100% dia mandry fotsy indraindray.
Raha ny fahafahana misitraka ny fahasalamana kosa, ny fanadihadiana dia nahafantarana fa ao Nguluku, mila mandeha 8 hatramin’ny 15 kim vao afaka mahita toeram-pitsaboana akaiky indrindra (Msambweni, Shimba Hills, Mivumoni). Amin’izany ny foto-drafitrasa dia zara raha nohatsaraina na dia eo aza ny vokadratsin’ny fitrandrahana amin’ny fahasalamana.