ATSAHARO NY FANITSAKITSAHANA NY LALANA SY NY KOLIKOLY ARY NY FANGORONAN-TANY ATAON’NY ORINASA GREEN MADA LAND AO AMIN’NY NOSY SAKATIA

Tamin’ny 12 Jolay 2023 dia nandefa taratasy misotraka tamin’ny Filoham-pirenena ny fikambanana manao sonia ity fanambarana ity, manoloana ny zava-misy manodidina ny fampanofana tany mandritry ny 99 taona tsy ara-dalàna nifanarahan’ny mpampiasa vola lehibe fanta-daza ao amin’ny orinasa GREEN MADA LAND sy ny manam-pahefana Malagasy, mikasika ny Nosy Sakatia ao amin’ny faritra Diana any avaratra-andrefan’i Madagasikara.

 

Ny anton’izany taratasy izany dia ny fametrahana fanontaniana mikasika io fampanofana tany mandritry ny 99 taona tsy ara-dalàna io, izay voalazan’ny tompon’andraikitra any an-toerana fa ilaina amin’ny fanatanterahana “projet présidentiel” ao amin’ny sehatry ny fizahan-tany, izay mahatonga fanitsakitsahana tanteraka ny zon’ireo fokonolona voakasika ara-toekarena sy ara-tsosialy ary ara-kolontsaina.

 

Izany fanitsakitsahana ny zon’olombelona izany dia vokatry ny tsy fanarahan-dalàna sy ny hatevenan’ny manjavozavo izay manjaka eo amin’ny fampiasam-bola ao amin’ny sehatry ny fananan-tany amin’izao fotoana izao, anisan’izany ity « projet présidentiel » ao Sakatia ity.

 

Mahafantatra tsara ireo tompon’andraikitra amin’ny fananan-tany sy ny tontolo iainana any an-toerana fa ny mponina ao amin’ny Nosy Sakatia dia efa nahazo ny famindram-piandraiketana sy fitantanana ny loharanon-karena voajanahary ao amin’ny nosiny (bénéficiaire du transfert de gestion locale), ka noho izany dia tsy azo ampanofaina ny Nosy Sakatia

 

Vao mainka tsy ara-dalàna ary mampametra-panontaniana io fampanofana tany mandritry ny 99 taona io, satria mahafantatra tsara koa ireo manam-pahefana mahefa any an-toerana fa misy ny Arrêté N° 27 227/2019-MAHTP nivoaka tamin’ny 29 novambra 2019 izay nanafoana tanteraka io fifanarahana mikasika ny bail emphytéotique tamin’ny orinasa GREEN MADA LAND io.

 

Tamin’ny volana Mey 2023 dia efa nanao fivoriana lehibe sy serasera tamin’ny haino vaky jery mba nanehoany ny fanoherany ny fanesorana azy aminy ny taniny sy ny ahiahiny momba ny famindran-toerana azy ireo fokonolona voakasika izay mivondrona ao amin’ny fikambanana Anjava Sakatia. Tsy nohenoina akory anefa ny heviny sy ny fitarainany, sady nitohy hatrany ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fanaparam-pahefana avy amin’ireo mpampiasa vola ao amin’ny orinasa GREEN MADA LAND sy ny manam-pahefana mpiara-dia aminy.

 

Tamin’ny 10 Septambra 2024 dia nampiantsoina ny mpitarika ny fikambanana Anjava Sakatia hivory mangingina miaraka amin’ny solontena roa avy amin’ny GREEN MADA LAND, ary tompon’andraikitra avy ao amin’ny sampandraharahan’ny fandrefesan-tany sy ny fizahan-tany. Nanambara ny fikasany hanao “bornage” haingana ny tany voakasiky ny bail emphytéotique, alohan’ny fifidianana ben’ny tanàna ny solontenan’ny GREEN MADA LAND, ka niezaka nandresy lahatra ireo mpitarika ny Anjava Sakatia mba hanaiky sy hanamora ny fanaovany an’izany.

 

Tsy nanaiky ireto farany fa nilaza kosa fa misy fepetra sy dingana tsy maintsy arahin’ i GREEN MADA LAND amin’izany, araka ny lalàna mifehy ny tetikasa goavana izay kasainy hatao. Rehefa nivoaka ny fivoriana ireo mpitarika ny Anjava Sakatia, ka hitan’ireto mpampiasa vola fa tsy nahomby ny tsindry nataony, dia naniraka indray tompon’andraikitra iray hanome vola mba hampiova hevitra azy ireo.  Satria tsy nety nandray ny vola izy ireo, dia tapitra teo ny fifampiresahana.

 

Tsy maintsy ampahafantarina ny daholobe, ary atsahatra ny tsy fanarahan-dalàna sy ny kolikoly ary ny  fanitsakitsahana ny zon’ireo fokonolona voakasiky ny “projet présidentiel” tanterahin’ny orinasa GREEN MADA LAND.  Manao antso avo amin’ireo manam-pahefana mahefa izahay izay manao sonia ity fanambarana ity mba tsy hamela ny fangoronan-tany ataon’io orinasa io hiteraka fijaliana sy fandravana ny fari-piainan’ireo fokonolona voakasika.

 

Izahay dia mampahatsiahy hatrany ireo manam-pahefana mahefa fa ny Lalàm-panorenana manankery dia mampisongadina ny fanajan’i Madagasikara ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona ara-toekarena sy ara-tsosialy ary ara-kolontsaina, ary manambara fa ny fitantanana tsara ny raharaham-pirenena dia mitaky mangarahara sy fanarahan-dalàna lalandava.

 

Izahay dia maneho ihany koa ny firaisan-kinanay feno amin’ireo mpiray tanindrazana Malagasy monina ao amin’ny Nosy Sakatia amin’ny fitakiana :

 

ny zo hahafantatra sy hanapa-kevitra mikasika ity bail emphytéotique ity, izay voafaritra mazava ao anatin’ny lalàna mifehy ny fananan-tany fa tsy azo hampanofaina ny nosy ;

ny zo tsy hanaiky ny fangoronan’ny hafa ny taniny izay efa noraisiny ny andraikitra hikajy sy hampiroborobo azy ;

ary indrindra indrindra ny zony hiaro ny tanindrazany sy ny foto-pivelomany.

 

Antananarivo, faha-03 oktobra 2024

 

Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives de Développement – Océan Indien (CRAAD-OI) craad.madagascar@gmail.com ; http://craadoimada.com

Fikambanana TANY miaro ny tany Malagasy – Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY

malgache@yahoo.fr; www.terresmalgaches.info; www.facebook.com/TANYterresmalgaches; @CollectifTany

Femmes en Action Rurale de Madagascar (FARM) – farmmadagascar@gmail.com; https://web.facebook.com/farmadagascar

Réseau des Jeunes pour le Développement Durable (RJDD) – madagascar@gmail.com; https://web.facebook.com/RJDDMadagascar

 

————————————

 

03 Oktobra 2024