ANTSO AVO HO AN’NY FILOHAM-PIRENENA

HAMPITSAHATRA SY HANASAZY NY FANITSAKITSAHANA NY LALANA SY NY KOLIKOLY ARY NY FANGORONAN-TANY ATAON’NY ORINASA GREEN MADA LAND AO AMIN’NY NOSY SAKATIA

Tamin’ny 03 oktobra 2024 dia nandefa taratasy misotraka tamin’ny Filoham-pirenena ny fikambanana manao sonia ity fanambarana ity, nametraka fanontaniana mikasika ny fampanofana tany mandritry ny 99 taona (bail emphytéotique) nifanarahan’ny mpampiasa vola lehibe fanta-daza ao amin’ny orinasa GREEN MADA LAND sy ny manam-pahefana Malagasy, mikasika ny Nosy Sakatia ao amin’ny faritra Diana any avaratra-andrefan’i Madagasikara. Tena tsy ara-dalàna ary mampametra-panontaniana io fampanofana tany mandritry ny 99 taona io, satria misy ny Arrêté N° 27 227/2019-MAHTP nivoaka tamin’ny 29 novambra 2019 izay nanafoana tanteraka io fifanarahana mikasika ny bail emphytéotique tamin’ny orinasa GREEN MADA LAND io.

Io bail emphytéotique io dia voalazan’ny tompon’andraikitra any an-toerana ihany koa fa ilaina amin’ny fanatanterahana “projet présidentiel” ao amin’ny sehatry ny fizahan-tany, izay mahatonga fanitsakitsahana tanteraka ny zo ara-toekarena sy ara-tsosialy ary ara-kolontsainan’ireo fokonolona voakasika mivondrona ao amin’ny fikambanana Anjava Sakatia, izay efa nahazo ny famindram-piandraiketana sy fitantanana ny loharanon-karena voajanahary ao amin’ny nosiny (bénéficiaire du transfert de gestion locale), ka noho izany dia tsy azo ampanofaina ny Nosy Sakatia.

Tamin’ny 10 Septambra 2024 dia nampiantsoina ny mpitarika ny fikambanana Anjava Sakatia hivory mangingina niaraka tamin’ny solontena roa avy amin’ny GREEN MADA LAND, ary tompon’andraikitra avy ao amin’ny sampandraharahan’ny fandrefesan-tany sy ny fizahan-tany. Nanambara ny fikasany hanao “bornage” haingana ny tany voakasiky ny bail emphytéotique, alohan’ny fifidianana ben’ny tanàna ny solontenan’ny GREEN MADA LAND, ka niezaka nandresy lahatra ireo mpitarika ny Anjava Sakatia mba hanaiky sy hanamora ny fanaovany an’izany.

Tsy nanaiky ireto farany fa nilaza kosa fa misy fepetra sy dingana tsy maintsy arahin’ i GREEN MADA LAND amin’izany, araka ny lalàna mifehy ny tetikasa goavana izay kasainy hatao. Rehefa nivoaka ny fivoriana ireo mpitarika ny Anjava Sakatia, ka hitan’ireto mpampiasa vola fa tsy nahomby ny tsindry nataony, dia naniraka indray tompon’andraikitra iray hanome vola mba hampiova hevitra azy ireo.  Satria tsy nety nandray ny vola izy ireo, dia tapitra teo ny fifampiresahana.

Rehefa tsy nahomby ny fanaovana kolikoly, dia mitohy hatramin’izao ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fanaparam-pahefana avy amin’ireo mpampiasa vola ao amin’ny orinasa GREEN MADA LAND sy ny manam-pahefana mpiara-dia aminy, satria tamin’ny 13 desambra 2024 dia nidina ifotony teny amin’ny Nosy Sakatia mihitsy ny solontena telo avy amin’ny GREEN MADA LAND, niaraka tamin’ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny sampandraharahan’ny fandrefesan-tany sy tontolo iainana ary solontenan’ny Ministeran’ny Fananantany. Nanambara izy ireo fa ny fanaovana ny fanadihadiana ny fiantraikan’ny tetikasany ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy (Etude d’impact environnemental et social) no anton-diany, saingy tsy navelan’ireo fokonolona ao Sakatia hanao izany satria sady tsy nisy fampandrenesana mialoha ara-dalàna no tsy nisy solontenan’ny ONE (Office National de l’Environnement) izay tompon’andraikitra sy manam-pahefana amin’izany fanadihadiana izany akory niaraka tamin’izy ireo. Ankoatr’izay, tsy nisy taratasy nentiny sy nasehony mikasika ny tetikasa.

Nisy tompon’andraikitra iray niezaka nandresy lahatra ny fokonolona hanaiky ny fifampiraharahana amin’ny fanaovana ny tetikasa, mba tsy hisian’ny fanesorana an-keriny azy ireo amin’ny taniny, toy ny efa niseho tao amin’ny fokontany iray ao Dar Es Salam tamin’ny volana Août 2024. Mbola nolavin’ny fokonolona ao Sakatia ihany koa izany, hany ka nangataka hiresaka manokana tamin’ny mpitarika ny fikambanana Anjava Sakatia ny solontenan’i GREEN MADA LAND, saingy tsy nanaiky io mpitarika io.

Izahay izay manao sonia ity fanambarana ity dia manao antso avo manokana ho an’Andriamatoa Filoham-pirenena, mba hampihatra ny fikasana izay nampahafantariny tamin’ny haino vaky jery, handrara sady hanome ny sazy izay henjana indrindra ho an’izay rehetra tafiditra amin’ny fangoronan-tany (accaparement de terre) manerana an’i Madagasikara.

Mampahatsiahy hatrany ihany koa ireo manam-pahefana mahefa izahay fa ny Lalàm-panorenana manankery dia mampisongadina ny fanajan’i Madagasikara ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona ara-toekarena sy ara-tsosialy ary ara-kolontsaina, ary manamafy ny firaisan-kinanay feno amin’ireo mpiray tanindrazana Malagasy monina ao amin’ny Nosy Sakatia amin’ny fitakiana

  • ny zo hahafantatra sy hanapa-kevitra mikasika ity bail emphytéotique ity, izay voafaritra mazava ao anatin’ny lalàna mifehy ny fananan-tany fa tsy azo hampanofaina ny nosy ;
  • ny zo tsy hanaiky ny fangoronan’ny hafa ny taniny izay efa noraisiny ny andraikitra hikajy sy hampiroborobo azy ;
  • ary indrindra indrindra ny zony hiaro ny tanindrazany sy ny foto-pivelomany.

Sa misy mpangorona tany tsy maty manota eto amin’ny firenena malagasy ?

Antananarivo, faha-14 desambra 2024.

  • Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives de Développement – Océan Indien (CRAAD-OI),
  • Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY
  • Femmes en Action Rurale de Madagascar (FARM)
  • Réseau des Jeunes pour le Développement Durable (R.J.D.D.)