ANTSO AVO HO AN’NY FILOHAM-PIRENENA HAMPITSAHATRA NY FANAMPARAM-PAHEFÀNA AMIN’NY FANALÀNA AN-KERINY TSY ARA-DALÀNA NY MPONINA SY NY TOMPON-TANINDRAZANA AO SAKATIA

Nanomboka tamin’ny 13 jolay 2023 no efa nanao antso avo ho an’ny Filoham-pirenena izahay fikambanana manao sonia ity fanambarana ity momba ny fampanofana tany mandritry ny 99 taona tsy ara-dalàna nifanarahan’ny mpampiasa vola lehibe fanta-daza ao amin’ny orinasa GREEN MADA LAND sy ny manam-pahefana Malagasy, mikasika ny Nosy Sakatia.
 
Namerina izany antso avo manokana ho an’Andriamatoa Filoham-pirenena izany indray izahay ny 14 desambra 2024, mba hampitsahatra ny fangoronan-tany ataon’ny orinasa GREEN MADA LAND ao amin’ny nosy Sakatia. Notsindrina manokana tamin’izany ny tokony hampiharany tanteraka NY FIKASANY IZAY NAMPAHAFANTARINY TAMIN’NY HAINO VAKY JERY, HANDRARA SADY HANOME NY SAZY IZAY HENJANA INDRINDRA HO AN’IZAY REHETRA TAFIDITRA AMIN’NY FANGORONAN-TANY (ACCAPAREMENT DE TERRE) MANERANA AN’I MADAGASIKARA.
 
Izany rehetra izany anefa dia tsy nanakana ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fanaparam-pahefana avy amin’ireo mpampiasa vola ao amin’ny orinasa GREEN MADA LAND sy ny manam-pahefana mpiara-dia aminy, izay tsy nitsahatra tamin’ny fanaovana tsindry sy ramatahora amin’ireo tompontany sy mponina voakasiky ny “projet présidentiel” izay kasainy hapetraka ao Sakatia.
 
Araka ny fampahafantarana efa nataonay, dia nidina ifotony teny amin’ny Nosy Sakatia mihitsy ny solontena telo avy amin’ny GREEN MADA LAND tamin’ny 13 desambra 2024, niaraka tamin’ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny sampan-draharahan’ny fandrefesan-tany sy tontolo iainana ary solontenan’ny Ministeran’ny Fananantany. Nanambara izy ireo fa ny fanaovana ny fanadihadiana ny fiantraikan’ny tetikasany ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy (Etude d’impact environnementale et sociale) no anton-diany, saingy tsy navelan’ireo fokonolona ao Sakatia hanao izany satria sady tsy nisy fampandrenesana mialoha ara-dalàna no tsy nisy solontenan’ny ONE (Office National de l’Environnement) izay tompon’andraikitra sy manam-pahefana amin’izany fanadihadiana izany akory niaraka tamin’izy ireo. Ankoatr’izay, tsy nisy taratasy nentiny sy nasehony mikasika ny tetikasa.
 
AMIN’IZAO FOTOANA IZAO, DIA VAO MAINKA MITOMBO NY TSY FANARAHAN-DALANA SY NY TSINDRY HAZOLENA AMIN’IREO MPONINA AO SAKATIA, satria ny 03 Aprily 2025 tamin’ny 10 Ora maraina, dia tonga tampoka tsy nisy fampandrenesana mialoha teo amin’ny nosy Sakatia ny delegasiona OMC, izay nisy ny Préfet, ny Procureur, ny manam-pahefàna ambony maromaro ao amin’ny Zandarimaria ary herim-pamoretana marobe..Nilaza Andriamatoa Préfet fa mila miala eo amin’ny nosy Sakatia ireo mponina ao Ampasindava satria efa akaiky hanomboka ny tetikasa ho atao eo an-toerana. Marihina fa tsy nitondra taratasim-panjakana manamarina ny fanesorana ny mponina ihany ireo OMC tonga teo, fa filazana am-bava sy fandrahonana tsotra izao no nataon’izy ireo araka ny Antso Vonjy nataon’ny mponina ao Sakatia. Ireo mponina izay niezaka handray feo sy sary nandritra ny resaka dia tsy navela nanao izany ary nasaina namafa izay voarainy.
 
Androany maraina faha-5 avrily dia nisy manam-pahefana sy mpitandro filaminana tonga indray tao Nosy Sakatia ary heno fa nifampiresaka tamin’ny mponina izay nanatrika azy fa tsy mbola fantatra ny votoatin’ny resaka nifanaovana amin’ny fotoana hanaparitahana ity fanambaràna ity.
 
Manoloana izao fanitsakitsahana ny lalàna sy ny zo ara-toekarena sy ara-tsosialy ary ara-kolontsainan’ireo fokonolona voakasika izao, dia mampahatsiahy hatrany izahay fa
 
• Ny andininy 34 ao amin’ny Lalam-panorenana dia mametraka mazava fa ny fanalàna an-keriny ny fitompoan-tany dia tsy azo atao raha tsy ho an’ny tombontsoam-bahoaka irery ihany (sauf par voie d’expropriation pour cause d’utilité publique). IZAO FIKASANA HANALA AN-KERINY NY MPONINA AO SAKATIA AMIN’NY TANINDRAZANY IZAO DIA TSY MANARAKA VELIVELY NY FEPETRA SY DINGANA TOKONY ARAHINA, izay voalaza mazava ao amin’ny Didy hitsivolana n° 62-023 tamin’ny 19 septembre 1962, mifehy ny fanalàna ny fitompoan-tany ho amin’ny tombontsoam-bahoaka.
• Ny Filoham-pirenena izay tompon’antoka amin’izao « projet présidentiel » hatao ao Sakatia izao dia nanao fianianana izay ren-tany ren-danitra « FA HAMPIASA NY FAHEFANA NATOLOTRA AHY ARY HANOKANA NY HERIKO REHETRA HIAROVANA SY HANAMAFISANANY FIRAISAM-PIRENENA SY NY ZON’OLOMBELONA. MIANIANA AHO FA HANAJA SY HITANDRINA TOY NY ANAKANDRIAMASO NY LALAM-PANORENANA SY NY LALAM-PANJAKANA, HIKATSAKA HATRANY NY SOA HO AN’NY VAHOAKA MALAGASY TSY ANKANAVAKA ».
 
Noho izany dia mamerina indray ny antso avo ho an’ny Filoham-pirenena izahay izay manao sonia ity fanambarana ity hanaja ny fianianana nataony, sy hampihatra ny fanapahan-keviny hanafoana ny fangoronan-tany (accaparement de terre) eto amin’ny firenena, hampitsahatra ny fikasàna hanala ny mponin’ny Nosy Sakatia teo amin’ny taniny sy ny fanitsakitsahana ny lalàna manan-kery ary ny zo fototra ananan’ireo mponina ao Sakatia, ary ny fampihorohoroana azy ireo.
 
TOKONY HITOVY NY MALAGASY REHETRA MANOLOANA NY LALÀNA SY NY ZON’OLOMBELONA.
 
5 Aprily 2025
 
*Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives de Développement-Océan Indien CRAAD-OI)
craad.madagascar@gmail.com ; http://craadoimada.com
*Collectif pour la Défense des Terres Malgaches – TANY
patrimoine.malgache@yahoo.fr ; http://terresmalgaches.info ; Facebook : TANYterresmalgaches