Rahoviana no hiverina ho dinihin’ny Solombavam-bahoaka eo amin’ny Antenimieram-pirenena io lalàna io taorian’ny fanovàna tsy maintsy hisy noho ny filazan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana HCC fa tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ny andininy sivy ambin’ny folo (19) tao anatiny ? Tsy fantatra ny valin’io. Niaraha-nahita ny fomba nahalàny tamin’ny fomba tsy nazava sady tampoka ny lalàna mahakasika ny ZES tamin’ny faha-3 Aprily lasa teo ka aleo atomboka androany ny fandefasana tolo-kevitra.
Araky ny andininy faha 117-n’ny Lalàm-panorenana dia « tsy azo havoaka hanan-kery ny fepetra ao anatin’ny lalàna izay nambara fa tsy mifanaraka amin’ny Lalàm-panorenana ary tsy azo hampiharina (andalana faha-2 sy faha-5). Raha izany no miseho, ny Filohan’ny Repoblika dia afaka manapaka, na hamoaka hanan-kery ireo fepetra hafa amin’ilay lalàna na ilay hitsivolana, na mandroso ny rijan-teny manontolo amin’ny fanapahana ataon’ny Antenimiera na ny Filan-kevitry ny Ministra indray, araka ny trangan-javatra, na koa tsy hamoaka azy hanan-kery » (andalana faha-2)
Mazava izany fa tsy azo avoaka hanan-kery ary tsy azo ampiharina ireo fepetra 19 izay nambaran’ny Fitsaràna Avo fa tsy mifanaraka amin’ny Lalàm-panorenana. Saro-pady loatra koa ny resaka TANY ho an’ny firenena ary indrindra ho antsika Malagasy ka miangavy ireo rafitra isan’ambaratonga izahay mba handalina sy hamakafaka tsara ary hanaja fatratra ny lalàna velona vao miroso amin’ny fanavaozana sy fandaniana ity lalàna ity fa tsy sanatria hanao kitoatoa na amboletra.
[highlight txtcolor= »#dd3333″]1/ Momba ny Fitsaran-tany mitety vohitra (Tribunal Terrier Ambulant – TTA) [/highlight](and. 47 sy 48) : Tsy vahaolana manoloana ny fanakianan’ny HCC ny fanovàna fotsiny ny anaran’ilay rafitra.- Raha ny “considérants” faha-6 sy 7 napetraky ny HCC no dinihina, dia tokony hanao safidy mazava ny mpanoratra ny lalàna : Raha tiana ho tazonina ho rafitra manao anjara raharahan’ny Fitsaràna ilay TTA io, araky ny fanambaràna miverimberina nataon’ny HCC, dia tokony asiana fepetra miantoka ny fahaleovantenan’ny Fitsaràna amin’ny rafitra mpanatanteraka (Exécutif) ny fomba fiasan’ny TTA, miampy ny tsy fiandaniana, ny fanajana ny lalàna ary ny fisian’ny ambaratongan-drafitra mazava azo hanoherana ny fanapaha-kevitra noraisin’ny TTA. Tsy nahita ireo fepetra sy famaritana ireo tao amin’ny andininy 47 sy ny manaraka mikasika ny TTA ny HCC ka izay no nanambaràny fa tsy mifanaraka amin’ny Lalàm-panorenana ny TTA.
- Nilaza koa ny HCC tao amin’ny “considérants” 11 ka hatramin’ny 18 fa ny antonantony samihafa voatanisa momba ny TTA dia tsy mifanandrify amin’ny anjara raharahan’ny fahefana mpanatanteraka fa tena anjara raharaha mifanandrify amin’ny rafitra Fitsaràna. Noho izany dia tsy maintsy Mpitsara (Magistrat) no mitantana azy. Ary ny hany afaka ho mpitantsoratra miara-miasa aminy dia olona vita fianianana (greffiers assermentés) avy ao amin’ny sampan-draharahan’ny Fitsaràna, fa tsy ireo mpitan-tsoratra avy ao amin’ny fianakaviamben’ny sampan-draharahan’ny Fananantany, toy ny voasoratra tao amin’ny andalana 48- n’ilay lalàna nokianin’ny HCC.
Noho izany, dia tokony haverina faritina sy soratana avokoa ny anjara raharaha rehetra ho sahanin’ilay TTA sy ny karazan’olona ary fomba fiasany fa tsy mifanaraka amin’ny Lalàm-panorenana ny voasoratra tao amin’ny andininy 47 sy 48-n’ilay lalàna teo aloha. Nambara fa tsy mifanaraka toy izany koa ireo andininy hafa rehetra mikasika ny TTA, dia ny andininy 49, 50, 55, 56, 57, 58, 59, 61, 62, 65, 66 ary 67.
[highlight txtcolor= »#dd3333″]2/ [/highlight]Mbola ireo toetoetra mampiavaka sy mahasamihafa ny rafitra miandraikitra Fitsaràna (Judiciaire) sy ny rafitra Fanatanterahana (Exécutif) ihany koa no fototry ny fanambaran’ny HCC fa tsy mifanaraka amin’ny Lalàm-panorenana ireo fepetra mikasika ny [highlight txtcolor= »#dd3333″]Fitsarana ny tany manokana[/highlight] (Tribunal Spécial Terrier), ao amin’ny andininy 82 sy 83.
[highlight txtcolor= »#dd3333″]3/[/highlight] Ny voalazan’ny HCC mikasika ny [highlight txtcolor= »#dd3333″]andininy 120[/highlight] no tiana hamaranana ny resaka androany: nambaran’ny HCC fa manosihosy ny fitovian’ny olompirenena rehetra eo anatrehan’ny lalàna io andininy io. Noho izany, dia tokony ho foanana tsotra izao izy io satria manohitra ny voalaza ao amin’ny andininy faha-6 -ny Lalàmpanorenana.
Anio, 14 aprily 2018.
Voir plus: Communiqué Sur La Loi Sur La Propriété Privée Titrée.pdf (Version Malagasy et Français)