Mamelatra karipetra mena ho fanajana manoloana ny mpangorona sy mpanao ampihi-mamba ny tany (accapareurs de terres) ny volavolan-dalàna momba ny fampiasam-bola

Miteraka ahiahy sy fitaintainana amin’ny Olompirenena maro ny volavolan-dalàna momba ny fampiasam-bola eto Madagasikara. Ny fampihemorana ny fampisehoana azy amin’ny fivoriana atriky ny solombavambahoaka ny talata 23 mey dia manome anay fotoana hanolorana antony hafa handresen-dahatra ny mpanao lalàna tsy hankato io volavolan-dalàna io.
Novahabahanay tao amin’ny fanambarana teo aloha (1) tokoa mantsy fa ity volavolan-dalàna ity dia mikasa ny hanome alàlana ny vahiny mpampiasa vol sy ny orinasa voasoratra eto Madagasikara fehezin’ny vahiny, izany hoe tsy mizaka ny zo maha-teratany malagasy ny manana petrabola be indrindra ao, hanofa tany mandritry ny 99 taona amin’ny alalan’ny bail emphytéotique na fanofàna tany amin’ny fomba maharitra. Mitovy amin’ny fivarotana tany io fomba fiasa io, anefa raràn’ny lalàna sady fady eo amin’ny kolontsaina malagasy ny mivarotra tany amin’ny vahiny. Ao anatin’ny toe-draharaha misy ankehitriny no nisian’ny lahatsoratra an-gazety nivoaka taminy faha 17-n’ny volana Mey nampahatsiahy ny fe-potoana teo a in’ny tantaran’i Madagasikara izay nisian’ny Charte Lambert mahakasika ny fanomezana ampahan’ny tany tany ava atr’i Madagasikara ho atao eo ambany fiarovana sy fiadidian’ny Frantsay, voasonia tamin’ny 1885, ka niteraka ny fa onoan’ny olona an’i Radama faharoa (2), hoy ny mpahay tantara.

Ny elanelana lehibe indrindra misy eo amin’ny toe-java-misy ankehitriny sy tamin’ny andron’i Radama faharoa dia eo amin’ny isan’ny firenena izay atahorana hividy velaran-tany midadasika. Fahiny, dia i Frantsa irery no firenena nanana fahalinana tamin’izany, ary nifanin na tamin’i Angletera. Amin’izao fotoana izao kosa ny rafitra mitsiriritra ny tany dia avy amin’ny vazan-tany maro. Raha hanome ohatra, dia
• misy miasa amin’ny fomba somary miafina sady amin’ny fomba ara-dalàna na tsia. Tsy ampahafantarina ny
daholobe ny toerana misy ny fifampiraharahana mikasika ny tany ataon’ny orinasa si oa iray eo amin’ny ve-
larantany iray hetsy hekitara any min’ny faritra Menabe (3) ; misy mpiasa amin’ny sehatry ny fananantany
nilaza fa ny ankamaroan’ny sisin-tanin’i Madagasikara dia efa lasan’ny vahiny ;
• misy kosa fantatra be be kokoa : ny orinasa emiratia Elite Agro dia nampindramin’ny fanjakàna malagasy tany 60.000 hekitara ao amin’ny le ak’i Bas-Mangoky. Manofa tany aman’arivo-na hekitara maro ny orinasa italianina Tozzi Green hanaovany agrobusiness ao amin’ny faritra Ihorombe sy hamokarana herin’aratra AVY amin’ny rano any amin’ny faritra maro (4)
Ny faneken’ny Parlemanta io lalàna mo ba ny fampiasam-bola io, izay raha ny marina « famarotana ny tany
malagasy tsy mitonona anarana », dia atahorana hanala amin’ny vahoaka malagasy ny taniny rehetra, anefa ny tahan’ny velaran’ny sombin-tany ananan’ny fianakaviana malagasy izay misy olona 6 eo ny tahany dia latsaky ny iray hekitara. Manoloana ny enti-manana tena goavan’ireo orinasa fehezin’ny vahiny mpampiasa ola, miaraka amin’ireo tombotsoa sy famporisihina ary fiarovan’n Fanjakàna azy ireo ao anatin’io volavolan-dalàna io, dia ho sahirana mafy ny fianakaviana malagasy, indrindra ireo tantsaha, vao ahavita hiaro ny fananany sy ha taranany ela tany ho lovain’ny taranany.
Satria hahazo tombombarotra no zava-kendren’ny orinasa tsy miankina voalohany indrindra, dia ny fanondranana vokatra any ivelany no tanjon’ny mpampiasa vola ao amin’ny sehatry ny fambolena lehibe indrindra, fa tsy ny fahavitan-tena na ny fiandrianana ara-s kafon’ny vahoaka malagasy. Ny fandavanay hanome tany ny vahiny mpampiasa vola na ny orinasa fehezin’ny petrabola vahiny anefa dia tsy mifandray amin’ny fiandrianana ara-tany sy ara-sakafo fotsiny fa mifandray amin’ny fiarovana ny tany izay vakoka-sy-lovam-pirenena koa ho an’ny taranaka any aoriana ary ny fambolena tantanam-mpianakaviana sy ny tantsaha.
Anisan’ny laharam-pahamehan’ny fikambanana amin’ny firaisamonim-pirenena efa an-taonany maro mantsy izao ny hanomezan’ny Fanjakàna tany ho an’ireo tanora Malagasy an-tapitrisany tonga eo amin’ny taona tokony hiasàny, izay tsy afaka mandova ny tanin’ny razambeny intsony noho ny velarantany efa nanjary nih na be matetika. Noho izany, ny famoronan’ny mpampiasa vola asa izay andrasan’ny mpanohana ny fanomezana velarantany tsy misy fetrany ho an’ny vahiny mpampiasa vola, izay matetika mampiasa fitaovana ari-fomba eo amin’ny fambolena, dia tsy ahatratra ny isan’ny asa voaforona antenaina. Izany isa izany dia ho vitsy noho ny isan’ny asa mety ho voaforona raha toa ny tompon’andraikitra mahefa ka mametraka politika fanomezana tany ny tanora manana ambaindahy manan-danja kokoa nohon’ny fikasana hanome Titra Maitso miisa 23.000 ho an’ny fitambaran’ny faritra 23 ato anatin’ny 3 taona.
Misy mpanohana ny fivarotana tany malagasy amin’ny vahiny mpampiasa vola nanambara fa « ireo fanavaozana ny lalàna tato ato tao amin’ny sehatry ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany [..] dia afaka mandray anjara amin’ny fampitomboana ny arin-karena izay tena ilain’i Madagasikara amin’ny fivoahany avy ao amin’ny vaohon’ny fahantrana misy azy » [..] ary tena manan-danja lehibe izy ireo eo amin’ny ady atao amin’ny « sangany » (élites) eto amin’ny Firenena nefa mpanao ampihimamba »(5). Ilaina ny manamarika fa ireo orinasa fehezin’ny petra-bola vahiny dia mahazo tombotsoa be manokana koa ao amin’ny Fehezan-dalàna nohavaozina mikasika ny Harena an-kibon’ny tany satria anisan’ny « personnes morales de droit malagasy ». Ny velarantanin’ny faritra voalaza anatin’ny alàlana hitrandraka dia mety hahatratra 5.000 km2 (dimy arivo kilometra tsy mivadi-droa) ary ny faharetan’ny alàlana hitrandraka dia 35 taona azo havaozina indray mandeha mandritry ny 15 taona (6).
Na iombonan’ny rehetra tsy ankanavaka aza ny fiheverana fa sakana lehibe ho an’ny fampandrosoana ny firenena ny kolikoly sy tsy fahaiza-mitantana eo anivon’ny ampahan’ny « sangany » eto amin’ny Firenena, dia hitanay fa sady tsy mitombona ara–lojika no tsy azo ekena ny fandrosoana ho vahaolana amin’izany ny fanoloana ireo mpampiasa vola teratany amin’ny vahiny mpampiasa vola sy orinasa maro rantsana.
Ny fangoronana sy fanaovana ampihi-mamba ny tany (accaparement de terres) hataon’ny vahiny izay kasain’ny vo- lavolan-dalàna momba ny fampiasam-bola ho hankatoavin’ny lalàna dia fanjanahan-tany vaovao, tsy hataon’ny hery mpanjana-tany tokana fa hataon’ireo orinasa vahiny maro rantsana. Nisy mpilaza vaovao iray nampahafantatra fa toa nampidirin’ny Vaomiera ao amin’ny Antenimieram-pirenena miandraikitra ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ao anatin’ny lalàna hono ny fanajana ny toro-làlana (principes directeurs) nofaritin’ny OCDE (Organisation de coopération et de développement économiques). Saingy voafetra be ny mety ho vokatr’ity fitsipika ity satria ireo toro-làlana ireo dia hafatrafatra tsy manana fahafahana hanery ny orinasa hampihatra azy (7). Ny CIRDI kosa (Centre international pour le règlement des différends relatifs aux investissements), izay voatonona ao anatin’ny volavolan- dalàna dia tena loza lehibe mananontanona ho an’ny Fanjakàna malagasy raha sendra misy fifanolanana amin’ny mpampiasa vola, satria afaka mitory mivantana ny Fanjakàna any amin’ny CIRDI ny orinasa vahiny tsy miankina ary matetika tena mavesatra be ny sazy ara-bola. Manaporofo izany ny tranga misy an’i Madagasikara eo amin’ny olana amin’ny orinasa Polo Garment, izay voalaza fa tsy nanana antoka (assurance) niaro tamin’ny loza mety hateraky ny olana ara-politika akory (8). Fanampin’izany ny fepetra takian’ny volavolan-dalàna raha misy ny fakàna ny orinasa ho fananam-pirenena (nationalisation) na ny fanovàna ny fitompoany ho an’ny Fanjakàna (expropriation) dia tena ‘tita- nika’ (tena maro sy mavesatra ka mety hampilentika sy hampirendrika ho faty)
Ny fanapaha-kevitra izay noraisin’ireo efa nisafidy na ho raisin’ireo vao handatsa-bato ho an’io volavolan-dalàna io izany dia mazava : misafidy ny fampitomboana ny harenan’ny mpampiasa vola tsy miankina izay hiteraka fitomboan’ny fahantrana na ny fanafoanana ny mponina malagasy avy eo amin’ny taniny mihitsy aza. Ankoatr’izay, io safidy io dia fanoloran-tenan’izy ireo ho lasa takalon’ain’ny orinasa vahiny maro rantsana amin’ny fanomezana azy fahafahana hanjaka eo amin’ny vakoka sy lovam-pirenena ara-tanin’i Madagasikara, izay handrava ny fahefan’ny Fanjakana sy ny fiandrianam-pirenena.

Manafatrafatra ny Olompirenena rehetra izahay, indrindra ny solombavambahoaka sy ny loholona, mba tsy hanaiky an’io lalàna vaovao momba ny fampiasam-bola io fa haka fotoana kosa « hifanakalozana mikasika ny fiandrianam-pirenena [..] sy ny fandraisan’anjaran’ny Olompirenana amin’ny fiainam-pirenena » (9).

19 mey 2023

  • Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives de Développement – Océan Indien (CRAAD-OI) craad.madagascar@gmail.com ; https://craadoimada.com
    Fikambanana TANY miaro ny tany Malagasy (Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY) patrimoine.malgache@yahoo.fr ; http://terresmalgaches.info ; www.facebook.com/TANYterresmalgaches ; @CollectifTany
    Sehatra Iombonana ho an’ny Fananantany – SIF (Solidarité des Intervenants sur le Foncier) sif.fananantany@gmail.com ; https://www.facebook.com/SIFMADA/

    Rakitra nakan-kevitra

(1) Ny volavolan-dalàna momba ny fampiasam-bola 2023 : famarotana tsy mitonona anarana ny Tany izay Vakoka-sy- Lovam-pirenena eto Madagasikara ? https://terresmalgaches.info/newsletter/article/filazam-baovao-faha-191-mlg-ny- volavolan-dalana-momba-ny-fampiasam-bola-2023
(2) https://lexpress.mg/17/05/2023/160-taona-lasa-nahafaty-an-dradama-ii-ary-nandorana-ny-charte-lambert/
(3) Dépêche informative TARATRA février 2022
(4) https://fr.allafrica.com/stories/202305060104.html
(5) https://lexpress.mg/17/05/2023/experts-de-la-banque-mondiale-les-reformes-actuelles-peuvent-stimuler-la- croissance/
(6) Ireo teboka ireo dia toa tsy nisiam-panovàna ao amin’ny Fehezan-dalàna momba ny Harena an-kibon’ny tany nohavao- zina nolanian’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny faha-12 Mey 2023.
(7) https://www.oecd.org/fr/daf/inv/mne/1922470.pdf
(8) Madagascar: Affaire Polo Garment – Etat malgache – Les raisons de la condamnation de Madagascar selon la Revue MCI – allAfrica.com
(9) https://lexpress.mg/10/05/2023/etat-de-droit-la-responsabilite-des-elites-en-question/?itok=OI7P6LB3