Ho an’Andriamatoa Andry Nirina RAJOELINA,
Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara
ANTONY : FANGATAHANA FANAJANONANA TANTERAKA NY TETIKASA BASE TOLIARA.
Andriamatoa Filoha,
Voninahitra lehibe ho anay mponina ao amin’ireo fokontany izay voakasiky ny tetikasa Base Toliara ao amin’ny distrikan’i Toliara I sy II ny manolotra izao taratasy izao mivantana aty aminao noho ireto antony manaraka ireto :
– Na misy aza ny fampihatoana ny asa sy ny serasera ataon’io tetikasa Base Toliara io nanomboka tamin’ny volana novambra 2019, dia tsy ampy izany fepetra izany satria ny fanafoanana tanteraka an’io tetikasa io no efa notakianay hatrany hatrany.
– Na dia mbola manan-kery aza izany fampihatoana izany, dia manangona sonia amin’ny fomba tsy ara-dalàna amin’ny alalan’ny « Plate-forme des notables » sy ireo olona vitsivitsy izay manohana ny tetikasa Base Toliara, ka dia namory solotenam-pokonolona tamin’ny 03 novambra 2021 folakandro, ary koa tamin’ny 15 avril 2022, nilaza fa homena vola izay olona manaiky ny tetikasa Base Toliara ka manao sonia ny mailaka izay kasainy halefa aminao. Efa nisy mihitsy iraka nizara vola tao amin’ny fokontany Ranobe tamin’ny 11 mai 2022 maraina. Fantatray tsara anefa fa raha ireo « Plate-forme des notables » sy ireo olom-bitsy manohana azy ireo dia tsy manam-bola, fa ny tetikasa Base Toliara no mampanao sy miantoka avy ao ambadik’izany fizarana vola sy fanangonana sonia izany.
– Hita mazava amin’izany fa manararaotra ny fahasahiranan’ireo fokonolona i Base Toliara sy ireo mpanohana azy ka tambazana vola hanao sonia ireo fokonolona ireo mba hahafahany milaza fa mihamaro ny olona manaiky ny tetikasa. Mifanohitra amin’izany tanteraka anefa ny zava-misy amin’izao fotoana izao.
– Tsy vitan’izany, fa dia maka sary ny fokonolona izy ireo, indrindra fa ireo olona mpitarika ny fanoherana ny tetikasa, izay aparitak’izy ireo amin’ny tambazotra serasera avy eo ary lazainy fa efa manaiky azy.
Mamerina ny antso avo efa nataonay ombieny ombieny izahay mba hanafoanana tanteraka an’io tetikasa Base Toliara io, satria be loatra ny voka-dratsy sy ny loza izay haterany, raha tsy hilaza afa-tsy ny momba an’ireto manaraka ireto fotsiny :
I – NY RANO
– Aleo misoroka toy izay mitsabo mba tsy hitrangan’ ny fanapoizinana ny rano fisotro toy ny nateraky ny asa fitrandrahana ataon’ny QMM ao Taolagnaro farany teo. Izany loza mitatao izany dia nambaran’ny manam-pahaizana siantifika maro fa tsy sanatria honohono.
– Amin’izao hain-tany efa mihatra amin’ny ditrikan’i Toliara II izao, dia vao maika hisakana ny fahazoan’ireo fokonolona voakasika rano hivelomany ny fampiasana ny rano ho an’ity tetikasa ity, izay voalaza fa mila 650m3 isan’ora mandritry ny 45 taona hanavahana ny fasimainty amin’ny fasika tsotra, kanefa ny mponina aza efa tena sahirana vao mahita rano fisotro sy ho an’ny asa fambolena.
– LOZA MITATAO amin’ny rano fisotro, ny ranomasina ary ny tontolo iainana ny fanariana ireo rano maloto feno singa simika (éléments chimiques et métaux lourds) avy amin’ny fitrandrahana.
II – NY FAHASALAMANA
– Tamin’ny taona 2019 dia ny Base Resources mihitsy no namoaka tamin’ny tatitra nataony fa ny Zircon ao anatin’ny fitrandrahana ho atao ao Ranobe dia misy Uranium sy Thorium izay avo dia avo ny tahan’ny “radioactivité” aminy ka tsy ho afaka amidin’izy ireo any amin’ny firenena toa an’I Etazonia sy Japon izany. Fantatra fa ny Uranium sy ny Thorium dia manapoizina amin’ny alàlan’ny rano voalotony sy amin’ny alàlan’ny vovony eny amin’ny rivotra fohana ary ny vahoaka voakasika dia tandindomin’ny areti-mandoza toy ny omamiadana sy ny fahasamponan’ny zaza any ambohoka.
– Efa maro ihany koa ireo manam-pahaizana nanao fanairana mahakasika ny loza mitatao aterak’io fitrandrahana io toa ny Professeur Stephan Narson tamin’ny volana Aprily 2019 sy ireo manam-pahaizana sy mpikaroka hafa teo anivon’ny anjery manontolo teto Toliara sy tany Antananarivo izay efa namoaka tatitra manamarina ireo voalaza rehetra ireo tamin’ny taona 2014.
III – NY FAHAVEREZAN’ NY ASAN’NY TANTSAHA SY NY MPIANDRIAKA
– Raha toa ka avela ho atao io asa fitrandrahana io dia ho very asa ny ankamaroan’ny mponina aty satria tsy ho azo atao intsony ny manjono, miompy sy mamboly aty aminay ary vahoaka maro an’isa no ho voakasik’izany.
IV – FANDRAVANA FOKONTANY SY FANGORONAN-TANY
– Tsy ekenay ary lavinay tanteraka ny handravana sy hivarotana ny tanindrazanay, anisan’izany ny fokontany RANOBE, BENETSY, ary TSIAFANOKA izay voakasika mivantana.
V – NY FANDRIPAHANA NY ALA
– Mikasa handripaka ala amin’ny hektara marobe ny tetikasa. Na dia mbola tsy manomboka aza ny fitrandrahana, dia efa sakanana sahady tsy hiditra ao anatin’ny ala izay fitadiavanay sakafo sy fanafody ary fampihinanay omby izahay. Voalazan’ny haino aman-jery tamin’ny faha 27 septambra 2021 ihany koa fa efa mahatratra 15 ha ny ala baobab efa notrongisina tao.
VI – NY FIAKARAN’NY MARIPANA
– Tamin’ny volana Febroary 2022 lasa teo dia niakatra manodidina ny 43°C ny maripana taty aminay. Vokatr’izany dia marobe no maty ireo biby fiompy sy mipetraka anaty ala toy ny tanala, bibilava, sns, ary nitombo ny fahasimban’ny vatohara sy ny ala honko. Nefa raha mandeha io tetikasa fitrandrahana io dia vao maika hijaly mihoatra lavitra noho izany izahay sy ny zavamanan’aina rehetra aty aminay satria efa voaporofon’ ny fikarohana siantifika fa misy fiakarana ny maripana amin’ny toerana misy tetikasa fitrandrahana toy ny Base Toliara.
Noho izany antony rehetra izany Andriamatoa Filoha dia manamafy ny fangatahanay ny fanajanonana tanteraka io tetikasa fitrandrahana io izahay satria tsy hitondra fampandrosoana aty aminay araka ny voalaza io tetikasa io. FANITSAKITSAHANA NY ZONAY MARO DIA MARO ARY FAHAPOTEHAN’NY TONTOLO IAINANA ATY AMINAY NO HATERANY, ka vao maika handetika anay anaty fahantrana lalina sy hampisy korontana aty amin’ny faritany misy anay.
Raiso, Andriamatoa Filoha, ny haja sy voninahitra ambony indrindra atolotray anao.